Edito

Cybercafé Hampiakatra ny saran'ny “connexion” raha tsy misy ny marimaritra iraisana


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Tsy maintsy hampiakatra ny saran’ny “connexion” avokoa ireo cybercafé rehetra eto an-drenivohitra raha toa ka tsy misy ny marimaritra iraisana eo amin’izy ireo sy ny artista

Hatreto mantsy dia mbola manamafy izy ireo fa kely ny tombony azony amin’io asany io raha heverin’ny sasany ho mihoapampana izany. Ny vesatry ny volam-panjakana,  ny saran’ny jiro isam-bolana miampy ny vola aloha amin’ireo mpaninjara “connexion” anefa eo an-daniny tsy lazaina intsony  izay notsindrian’izy ireo fa tsy maintsy handoavana ana hetsiny maro isam-bolana miampy ny hofan-trano. Raha tsiahivina  moa dia 20Ar isaky ny minitra no vola aloa amin’ny connexion amin’izao eny amin’ny cyber. Efa misy ihany ireo mampiakatra izany ho 30Ar eo Analakely saingy mbola cyber iray. Fanontaniana mipetraka ny hoe mety ho zakan’ny mpanjifa rehetra ve io fiakaran’ny connexion io raha tena izay tokoa no zava-misy ? Ireo mpianatra manao fikarohana anefa no tena maro an’isa amin’izy ireny raha eo ihany koa ireo manao asa mihitsy saingy noho ny tsy fananany solosaina any an-trano dia voatery manatona cyber izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT