Feno 110 taona ary mankalaza ny jaobiliny ny Centre de Rééducation eny Mandrosoa, Kaominina Anosiala, Distrikan’Ambohidratrimo, PK 20
Ny ao an-tsaina avy hatrany dia hoe zaza maditra. Azo lazaina hoe zaza maditra satria latsaky ny 18 taona ary migadra izy ireo fa ny antony nidiran’izy ireo tany amin’ny centre dia samy manana ny azy. Mpitsara ankizy tsy ampy taona ihany no afaka mandefa zaza eny Mandrosoa ary amin’alalan’ny «ordonnance de placement provisoire». Voafetra ho 70 ny isan’ny zaza azon’ny akanyraisina kanefa dia mihoatra kely izany izao satria 72 izy ireo. Tsy ampy ny enti-manana omen’ny fanjakana fa soa fa misy ireo namana manampy toy ny Centre Rassouloul Akram miaraka amin’ny Inisma, ny RVS sy ny fan club RVS izay nitsidika sady nanolotra vary ity akany manabe ankizy nania hiverina eny anivon’ny fiarahamonina ity ny sabotsy lasa teo. Nisy tamin’ireo zaza «naditra» nobeazina tao no lasa manankaja na tafita ankehitriny. Manao fanadinana ara-panjakana ny ankizy beazina ao, ary dia 100% hatrany ny voka-panadinana Cepe.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.