Edito

Boaderozy hodorana Sao dia fika be izany, sa fanodinkodinana no marina ?


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Vaovao anisan’ny nahagaga ny mpanara-baovao tato ho ato hoe hodorana ny boaderôzy any amin’ireo toerana saro-dalana sao lo. Raha samy hazo anefa dia tsy mety simba na lo izany ny boaderôzy, ary izay mihitsy no mahalafo azy

Noho izay hamafiny sy fahatezany izay indrindra aza no isafidianan’ny any amin’iny faritra Analanjirofo iny hatao fasana. Koa eo no mipetraka ny fanontaniana hoe : nahoana no hodorana ny boaderôzy ? Angaha dia tsy misy fomba hafa mety hampidiram-bola na hivarotana azy ireny hanatevenana ny kitapombolam-panjakana na hatolotra ho akoran’ireo mpanao asa tanana malagasy, toy ny mpanao sokitra any Ambositra ? Na ny toerana na ny isan’ireo bolabolan’andramena hodorana ireo aza mantsy tsy fantatra mazava akory. Be ny ahiahy ankehitriny manoloana io fikasan’ny mpitondra io. Sao dia hazo hafa no hodorana fa ny boaderôzy ahodina lalan-kafa ? Mahagaga ihany koa ny fahanginan’ireo solombavambahoaka manoloana izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT