Edito

Bizna politika


  • Zoma 18 Novambra 2022

Tsy mitovy ny mitantana orinasa sy mitondra firenena. Fehezanteny nataon’izao fitondrana izao sy ny mpanaradia azy

nanentohento eran’ny tanana mihitsy izany ho fitsikerana ny mpitondra teo alohany tamin’ny fotoan’androny. Ankehitriny anefa, iza moa no tsy mahavoafakafaka ny fomba fitantanana ireo heverina fa tokony ho orinasam-panjakana madiodio eto amin’ny firenena na koa ny fitantanana ireo harena voajanahary hatramin’ireo vakoka sy harem-pirenena rehetra eto? Rehefa miresaka JIRAMA, ohatra, dia efa maheno fa mety raha kely dia efa ana sehatra tsy miankina ny 80%n’ireo vondrona mpamatsy herinaratra miasa ao. Fa maninona moa no rehefa tsy voahefa tao anatin’ny volana maro ny valin-kasasaran’ireo mpiasan’ny Pharmalagasy, izay efa nahoraka hatramin’ny volana jolay 2022 tany, dia aty amin’ny novambra 2022 aty vao hoe hitory ilay gazety vahiny nanaratsy ilay orinasa, fa indrindra, mitaky onitra 15 tapitrisa Euro? Satria tsy misy hanefana ny karaman’ireo mpiasa ve? Tsy izany ve no atao hoe bizna politika tsy tapaka hevitra, hoy ny fitenin’ny tanora izay? Dia io koa izao ny eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra sy ny hetran-tranony. Nifanolanan’ny ben’ny tanana lava aloha ny mpanolontsain’ny tanana tamin’ity resaka SMGD izay tsy fantatra mazava intsony na orinasan’ny kaominina madiodio na efa sehatra tsy miankina latsaka fahefany ity. Ny resaka “taxi-moto” izany moa efa hoe avy notsipahana dia mbola nampidirin’ingahy ben’ny tanana amboletra ihany, hoy hatrany ireo mpanolontsaina. Ankehitriny dia midangana avo 100 heny ny hetran-trano. Fa manao ahoana loatra ny fidiram-bolan’ity tananantsika ity no dia hatramin’ny vahoaka mitoetra anaty trano bongo no vesarana izany hetra mety efa mihoatra lavitra ny fidiram-bolany izany? Rehefa mba manao karokaroka amin’izao andron’ny hairaha vaovao izao moa dia raraka ivy mahita hoe ohatrinona no vidin’izany fiara tsy laitram-bala na “blindé” izany? 50.000 hatramin’ny 500.000 Euros eo, izany hoe, manodidina ny 12 miliara Ariary any. Ben’ny tanàna anefa no manana izany aty amin’ny tany farany mahantra aty. Aiza moa no tsy ho sangian’ny mpanara-baovao amin’ny tantaran’i Zakaiosy ao amin’ny baiboly? Tsy efa nanana“blindé” tokoa ve moa i Zakaiosy raha niaina taty amin’ny vanim-potoanantsika taty ?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT