Bibilava sinambotr’ankizy!

Bibilava sinambotr’ankizy ankehitriny ny vahoaka malagasy.


  • Talata 25 Febroary 2025

Tsy tanana handrangotra. Tsy tongotra hitsipaka. Toy ny valala voatango ka tsy afaka na

dia ny hitsambikina ihany aza ialàny amin’izay mampahory azy. Tsy afaka ny hanidina intsony koa fa dia voagejan’ny tsy fisian’asa, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahazakàna vidim-piainana sy vidin-tsolika eto. Voagejan’ireo karazana tsy fahafaha-mihetsika marobe toy ny tsy fahafaha-maneho hevitra sy mivory, eny, mampihatra ny maha tany demokratika ity firenena ity, izay hizingizinin’ireo mpitondra sy mpanaradia azy fa azo atao ihany saingy misy fetrany. Fetra izay mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao sasany mihitsy hoe na dia any amin’ireo firenena tsy mahalala izany demokrasia izany toa an’i Birmania sy Korea avaratra aza ve hanao toy ny eto? Aiza no hisy hoe rehefa fivoriana politika, na fifampiarahabana tratry ny taona ho ataona antoko politika aza izany, dia mila solontena avy amin’ny prefektiora hanontrona azy, raha azo ny alalana hanao izany? Ny filoham-pirenena mihitsy aza moa no tsy menatra akory nilaza fa mila fongorina ny mpanohitra azy. Ho fitantanana tokan-jotra, tsy ahitàna afa-tsy fomba fijery tokana na hoe «pensée unique» ve izany no kasaina ho apetraka eto amin’ity Madagasikara ity manomboka eto. Nisy firenena efa nandroso tao anatin’izany fomba fanaovana politika tsy mampiaina ny singa rehetra anatin’ny antsoina hoe politika izany ve teto ambonin’ny tany? Inona intsony moa no antony hamaritana ny atao hoe «politika» amin’ny maha fitantanana sy fikatsahana izay mahasoa ny firenena azy, raha toa ka ho foanana ao anatiny ny atao hoe «demokrasia», izay midika ho fanjakàn’ny vahoaka sy avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka ihany ka nanome ny antsoina hoe «repoblika» taorian’ny vanim-potoana faha mpanjaka?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT