Miherina tokoa ny taona ary efa nitelina volana 3 sahady izy izay. In-4 nisondrotra sahady anefa ny vidin-tsolika izay iankinan’ny fampandehanam-piharian’ny sarambabem-bahoaka.
Talohan’ny taona 70 no efa nohirahiraina fa misy solitany tao Bemolanga kanefa dia nahatonga ireo mpanakanto tamin’ny fotoanandrony namoron-kira mihitsy koa ny farany hoe rahoviana ihany vao ho to ny fampanantenana nataon’ny mpitondra mikasika ireo tombontsoa hotovozin’ny firenena tamin’alalan’izany harena goavana ? Ankehitriny, repoblika miisa 4 no efa lasa, na ny hoe “tolona ho an’ny fahafahana” aza efa 70 taona sy andro vitsivitsy. Ny toe-draharaham-pirenena tsy misy fihatsarany araka ilay hira tamin’izany fotoana fa vao mainka voafahan-dalitra, hoy ny fitenenan’ny vahoaka ary miakatra ny vidim-piainany. “Rahoviana no hitranga i Bemolanga ?” no fanontaniana tamin’izany. Rahoviana kosa no hitranga ireo renirano mba efa natoro fa afaka mitondra angovo toa an-dry Vavalapasy sy Angodongodona ary Mahajiro ? Ireo harena an-dranomasina sy ankibon’ny tany be dia be izay ireo vahiny no avela hitrandraka malalaka azy ankehitriny no fanontaniana manampy izany amin’izao fotoana izao.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.