Efa tena voaporofo ara-tsiantifika mihitsy fa mila fitandremana be ny fitaizana ny zaza sy ny ankizy.
Hafa fa tsy tahaka ny an’ny olon-dehibe ny fisainan’ny zaza, ary matetika ny zavatra andrarana azy mihitsy no ataony. Raha tsy nahita paikady nanabeazana ny zanany fony fahakeliny ny ray aman-dreny, dia tena ho sahirana rehefa tonga adolatsento izy ireo satria eo no vao miha mitombo ilay hetaheta te handika lalana sy fitsipika dia efa iaraha-mahita moa amin’izao fotoana ny fomba fisaina, fihetsika sy fomba fitenin’ny tanora. Ary tsy maintsy misy kely foana ilay faniriana te hisongadina na te hiavaka amin’ny rehetra, eny fa dia mety mandratra ny hafa, na mampanaotao foana aza ny fomba hahatongavana amin’izany.
Tsy lavitra izany ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana, indrindra fa Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany, asa na noho izy ireo tena mbola tanora no mahatonga izany na ahoana. Hita mihitsy fa tia seho ivelany sy mampisongadina ny tenany ry zareo ireo. Toetra efa nasehon-dry Rajoelina sy ny ekipany hatry ny ela koa ny manetsin-tadiny manao anjolofo, koa na efa fantany tsara aza, ohatra tamin’ny 2009 sy 2010 fa tsy afaka hivory na hikabary any amin’ny Firenena Mikambana izy dia mbola nandany volam-panjakana nandeha tany New York ihany. Na dia efa fantatra izao aza fa tsy maintsy tanterahana an-tsakany sy an-davany ny fifanarahana iraisam-pirenena nosoniavina dia mody fanina amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ny sasany. Efa mivandravandra be izao fa miha mahantra sy manao sakafo ambany foitra ny Malagasy, fa mbola fanorenana kianja vaovao ihany no handaniana an-jatony tapitrisa Ariary.
Efa tena mazava ny resaka fa tsy misy famatsiam-bola avy any ivelany hanatanterahana fifidianana tonga izany eto, raha tsy misy ny fifanarahana politika mazava amin’ireo mpifanandrina ary hita fa mipetraka ny fitoniana, kanefa dia ny famoahana NOTAM mba hanakanana sy hanilihana ny filoha teo aloha ihany no mahamaika. Vao ny talata teo no nahazo lesona ny maha zava-dehibe ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona, ny fahafahana maneho hevitra. Ny alakamisy anefa dia niverina sahady ny fanaovana ramatahora amin’ny mpanao gazety, dia ho avy koa ny fitsarana amin’ny alatsinainy. Marina tsy tena manao bemarenina mihitsy e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.