Edito

Be vava fotsiny


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Efa nampoizina ihany fa tsy hahavita hikaroka ny marimaritra iraisana miaraka amin'ireo kaompania vahiny mpanafatra sy mpitsinjara solika eto amintsika ny fitondrana tetezamita, izay havanana kokoa amin'ny fampiasan-kery noho ny adihevitra.

 Nampiakatra vidin-tsolika koa ny kaompanian-tsolika Galana sy Jovenna nanomboka omaly, ary io rehefa miakatra dia izay no izy fa tsy misy an'izany midina izany intsony. Nanao don-tandroka be tamin'ny Total sy ny Shell ny fitondrana tetezamita, iray volana mahery lasa izay raha nampiakatra ny vidin-tsolika izy ireo. Toa lasan-ko vavany fotsiny anefa izany fa dia tsy nampihetsi-bolomaso ireto kaompania vahiny ireto. Ny krizy tsy mety vita, ny fiainana efa lafo, dia izao miaka-bidy izao indray ny solika.

Azo antoka fa hihetsika indray izao ny mpitatitra ka hilaza fa hiakatra ny saran-dalana ; ny fanjakana moa efa milaza fa tsy manam-bola koa dia asa izay hiafarana eto. Dia tena tsy nisy mihitsy ve ny marimaritra iraisana fa tsy maintsy nampiakarina io vidin-tsolika io ? Na mora na sarotra ny fifampidinihana amin'ireo mpandraharaha ara-tsolika ireo dia adidin'ny fanjakana ny mahita ny vahaoana, fa tsy be vava fotsiny kanefa tsy hita akory izay atao. Sa ve, efa tafiditra ao anatin'ilay tetika maizina hanakorontanana an'i Madagasikara koa ity fampiakarana vidin-tsolika ity, ka izay no mahatonga ny fitondrana tetezamita hitazam-potsiny, izao famonoana tsimoramora ny Malagasy izao ? Ny any ambanivolo matin'ny dahalo, ny aty an-drenivohitra simbasimban'ny vidim-piainana lafo. Taorian'ny tsena mora sy ny trano mora izany, dia tonga indray ny famonoana tsimoramora...

Ny volabe teo am-pelatanana efa nolaniana nanaovana hopitaly sy kianja manara-penitra, izay no nahamaika an'i Andry Rajoelina fa ny lafiny sosialin'ny vahoaka toa nodiany fanina fotsiny. Asa hoe inona indray no hambaran'ny minisitry ny solika, ny minisitry ny vola sy ny praiminisitra manoloana ity solika miaka-bidy ity, fa ny azo ambara aloha dia mampitombo ny fahasahiranan'ny olona ilay izy, no sady mampitombo ny fahasosoran'izy ireo amin'ny fitondrana tetezamita, izay toa tsy mandamina fa mampisavorovoro, ary tsy mamelona fa mamono... tsimoramora. 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT