Dia efa mazava izany iny ny resaka fa tsy afaka ny hisambotra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny mpitandro ny filaminana Malagasy.
Izay dia izay ihany fa tsy hisy ny dinika hafa. Don-tandroka tahaka ny fanaony hatramin’izay ihany no nataon’ny jeneraly Richard Ravalomanana mba handemena ny sain’ny mpanara-dia ity filoha teo aloha ity. Inoana fa efa nahafantatra mialoha ny zavatra mety hitranga ny tao amin’ny FAT saingy mbola nipoerapoera nanambara tetsy sy teroa ihany fa handeha hisambotra olona atsy Afrika Atsimo, hono. Efa tsy dia mahagaga intsony fa fomba nahazatra tato anatin’ny telo taona latsaka kely izao ity be vava ity kanefa tsy mahavita na inona na inona akory ! Ny eto an-toerana aza tsy voalamina koa ny an’ny olona no rahonana hosamborina. Araka ny tsiliantsofina re dia tezitra tamin’iny fanambaran’ny mpitandro ny filaminana malagasy iny mihitsy ny mpitondra Afrikanina Tatsimo satria raha ny tokony ho izy, na efa nisy aza ny fifampiraharahana dia tsy atao mahoraka be ny zavatra tahaka ireny fa rehefa atao ny asa dia atao am-pilaminana.
Hoy indrindra ny mpanara-baovao politika iray hoe : matoa be vava sy be resaka dia tsy hanao zavatra izay ! Dia tahaka ny mitombina tokoa izany raha mahita ny fomba ratsin’ny FAT, efa tamin’ny jolay 2009 i Andry Rajoelina no nilaza fa hanao fifidianana ary filoha vaovao no hiatrika ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena. Nandalo ny 2010, ho tapitra ihany ity ny 2011 tsy hita izay zava-bita teo. Kobaka am-bava fotsiny no betsaka. Ary io be resaka io no tena nampihena ny herin’ny fitondrana tetezamita ary nampahazo aina ireo mpanohitra azy, satria efa fantatra mialoha ny zavatra hataony sy ny fihetsiny, koa noho izany mora ny mamolavola paikady hiatrehana azy. Daroka baomba sy fisamborana, izay ihany no tena talentan’ny FAT, ary tena mahamenatra ihany ny tsy fahafantaran’ireo tompon’andraikitry ny fiarovana sy filaminana ny lalàna manan-kery any amin’ny firenena hafa tahaka an’i Afrika Atsimo ireny.
Dia tena mbola mendrika hitazona toerana ambony ihany ve ny olona tahaka izany e ? Tsy atao mahagaga loatra raha lalaovin’ny vahiny ny Malagasy satria manondrana isaky ny mihetsika, tsy mahalala ny tokony hataony. Hatry ny omaly dia efa nandeha be ny resaka fa tsy maintsy hisy akony ratsy amin’ny fifandraisana ara-diplaomatika eo amintsika sy i Afrika Atsimo iny fanambarana sy fihetsika tsy voahevitra nataon’ny mpitandro ny filaminana malagasy iny ary vao mainka hahasarotra ny lalan’ny FAT raha mbola manonofy hitantana samirery ny tetezamita izy ireo satria ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma izao no filoha mitarika ny Troikan’ny SADC, ary zovy no tsy mahalala fa manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity firenena ity ary mpikambana ao amin’ny G20. Ka mipetraka eto ny fanontaniana hoe : mba mahafantatra an’izany ihany ve ny mpitondra ao amin’ny tetezamita sa ahoana ? Hoy ny be vazivazy izay hoe : sao dia heverin’ny Jeneraly Richard Ravalomanana fa tahaka ny miditra etsy amin’ny Magro Behoririka aza izany hoe miditra any Afrika Atsimo izany, ka samborina izay tiana hosamborina ? Ary raha ny tena marina koa dia vahiny tompon-tanàna ihany ingahy Ravalomanana any Afrika Atsimo ka ho sarotra izany hisambo-belona azy any izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.