Edito

Be tsy handraofana


  • Alatsinainy 07 Aogositra 2017

Isan’ny nanaitra ny maro ny fahenoana ny isan’ireo olona nandrotsaka ny antontan-taratasiny mba hofantenana ho ao anatin’ilay rafitra hitondra sy handrindra ny fampihavanam-pirenena na ilay antsoina hoe Filan-kevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM).

Olona 22 no ilaina amin’izany ankoatra ireo 11 hotendren’ny filoham-pirenena, saingy nahatratra hatrany amin’ny 680 ny nandrotsaka ny antontan-taratasiny. Dia lasa ny saina aman’eritreritra hoe misy olona an-jatony afaka ny handrindra sy handamina ny firenena ihany izany eto Madagasikara, raha ilay fahavononana sy faharisihana hiditra ao anatin’ny CFM no jerena. Tena fahavononana hitondra ny anjara biriky amin’ny fampihavanam-pirenena tokoa ve anefa no ambadik’izany sa kosa mety ho fitadiavan-tseza sy toerana fotsiny? Raha jerena amin’ny hamaroan’ny olona mantsy dia tsy tokony ho sarotra ny fampihavanana, saingy ahiana ho tonga amin’ilay fitenena hoe “be tsy handraofana” ilay fahavononana. Ho maro tahaka izao ve ny olona hanolo-tena raha tsy misy resaka tombotsoa ny fidirana ao anatin’io rafitra io? Ny hamisavisana ny ratsy tokoa, hono, mba hiavian’ny soa, ka ny hirariana dia mba hahatafavoaka baolina amin’izay ny rafitra handrindra ny fihavanana eo, fa tsy sanatria ho ny vola sy fotoana fotsiny indray no ho lany eto!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT