Edito

Be no hanahy vary !


  • Alarobia 25 Aogositra 2010


Hitodi-doha eny Vontovorona, kaominina Alakamisy distrikan’Antananarivo Atsimondrano eny indray ny sain’ny mpanara-baovao anio. Anio mantsy no andro nofinidin’ny CNOSC hanombohana ny famondronana ireo antoko politika hiara-hidinika sy hikatsaka vahaolana amin’ny fomba Malagasy ka eny Vontovorona no toerana nofidian’izy ireo hanatanterahana izany. Raha nilaza ho vonona ny CNOSC mpikarakara, ary efa nanambara koa fa vonona ireo antoko politika, dia nametraka fepetra ny maro. Nandrahona ny tsy ho avy ireo mpikambana FAT raha toa mbola Maputo sy Addis Abeba no hodinihina ka resaka ankolafy no hitondra ny dinika. Izay tapaka sy natao sonia teny Ivato ihany ny azy ireo. Fanambarana izay nohamafisin’ny tanora TGV ihany koa. Raha nivory tetsy amin’ny Carlton koa ny Ankolafy Telo dia mazava ny heviny. Tsy hanatrika ny fotoam-panokafana io fihaonana eny Vontovorona io izy ireo ny maraina. Na izay aza nanipika mazava ny Ankolafy Telo fa tsy manda ny fivoriana fikatsahana vahaolana. Amin’izy ireo dia mety avokoa rehefa famahana ny olana, nefa tsy ataotao foana izany fa tsy maintsy apetraka ny zavatra rehetra hisian’ny fitoniana.

 Voakasik’izany ny fisisihan’ny FAT hitsara ny raharaha 7 febroary, sy ny igiazany am-ponja ireo gadra politika sy ny mpanao gazety. Mety ho avy eny Vontovorona ihany anefa ny Ankolafy Telo anio tolakandro, hamantatra izay tian-katongavana marina amin’izao raharaha mbola misafotofoto izao. Raha ny fantatra koa mantsy dia ho avy anio amin’ny fiandohan’ny tolakandro ny iraky ny SADC, mirahalahy, hialoha lalana ny filoha Chissano hanara-maso ny fivoaran’ny diniky ny samy Malagasy hivoahana amin’ny krizy. Mety hihazo avy hatrany an’i Vontovorona ireto iraka ireto aorian’ny fahatongavany. Mandritra izany dia sadaikatra ny Escopol na ilay Sehatra Ifanakalozan’ny mpanao politika. Lasa Ankolafy faha-5 mantsy izy ireo, mandravona ny Autres Sensibilités Politiques raha ny fotokevitry ny satan’i Maputo ary ny UDR-Fanovana ihany no Ankolafy Rajoelina, koa raha ho roso ny dinika, ka ho solontena fito toy ny natao hatramin’izay no hitondrana azy, dia betsaka amin’ireo ao anatin’ny Escopol no “hanahy vary”. 

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT