Edito

Be loatra ny mpamosavy malemy


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Tsy takona afenina intsony fa mikorontana ny firenena. Tsy mahavaha olana ny fitondram-panjakana.

 

 

Tsy fantatra intsony izay laharam-pahamehana fa toa mandeha jonjorombona amin’ny kitaitaitra sy ny kisehoseho ivelany. Nangingina tato ho ato ny filoha fa tsy tahaka ny tamin’ny fampielezan-kevitra. Toa misitritsitrika izany ary efa io antsoin’ireo mpanao fitakiana hivoaka hiteny sy hitondra vahaolana io, saingy toa minia tsy mandre. Ny samy andrim-panjakana mifandramatra ka tsy tapitra ny ady efa hatramin’ny 2019. Ny minisitra ao anaty governemanta misy mbola manangana ady sy manampatra fahefana. Tsy te hahalala izay didy aman-dalàna, fa toa tonga amin’ilay fitenenana hoe: izahay aloha no eto dia izay tianay io. Misy tompon’andraikitra efa nahatafavoaka izany vava be izany. Tena mankasitraka ireny toetra sy fihetsika ataon’ny ekipany ireny ve ny filoham-pirenena ? Sa sanatrian’ny vava tratry ny takalon’aina politikan’ireo ekipa tsy manoa randrana ? Toa be loatra ny mpamosavy malemy mody namana, kanefa ny hangorona sy higoka tombontsoa no tena laharam-pahamehany. Manaratsy endrika hatrany ny fanjakana ny ataon’ny ekipany sasany, kanefa ny mpitondra no manana seza harovana, manana fahefana mila tandrovina. Efa natao ho Raiamandrenin’ny Malagasy na ho an’ireo nifidy na tsy nifidy azy, ka tokony ho mpampiombona, saingy mbola lavitry ny kitay ny afo. Ny samy ao anaty fanjakana aza toa miezaka manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be, raha ny hita ao anatin’ny minisitera iray tokony hitandro sy haneho ny endrika tsaran’ny fanjakana. Roahina izay tsy ekipa sy tsy azo atao fitaovana, dia apetraka amin’ny toerana sy asa ny akamakama.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT