Edito

Be loatra ny ahiahy tsy hihavanana


  • Alarobia 08 Aprily 2020

Tsy lavina fa ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika Malagasy amin’izao fotoana izao. Samihafa ny hamehana na ny “Etat d’Urgence”

 

izay noho ny tany misy hotakotaka sy ny hamehana ara-pahasalamana, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy hiditra be amin’ny resa-politika isika, ary tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin’ny fanambarana voalohany fa tafiditra eto Madagasikara ny Coronavirus. Na izany na tsy izany, mba mila mandray lesona, mba mila mahazaka kihana, ary indrindra mba mila mihaino ny hafa ihany. Efa re teto ny valy boraingina, ny fanivahivana ny fanehoan-kevitry ny hafa toy ny hoe: izahay izao no mitondra ary hainay io, fa ianareo “imbecile”. Ny tena mpitarika, dia mahafehy ny olona miara-dia aminy, ary mila mahay manitsy ny tenany, hoy ilay filoha teo aloha. Ny zava-misy anefa toa tsy te hahalala izay hevitry ny hafa any ny fitondrana. Miaka-pofona vao tratry ny kihana sy angatahana fangaraharahana. Eny tena tsy mba maka lesona amin’ny mety ho hadisoana teo aloha. Efa adihevitra ny resaka tsy nampiatoana avy hatrany ny sidina an’habakabaka, dia io fa mitohy amin’ny resaka famelana ny olona hielim-pantrana amin’ny taksibrosy. Angaha tsy mila miafy aloha ny rehetra. Ilay resaka mangarahara aloha dia mbola lavitry ny kitay ny afo, ary betsaka ny ahiahy tsy hihavanana. Ohatrinona marina ny tetibola natokan'ny fanjakana hiatrehana ny Covid-19. Avy aiza no nakana io vola io, satria tsy mbola tafiditra tao amin'ny tetibolam-panjakana io? Ohatrinona ny fanampiana ara-bola azo avy any ivelany ary avy aiza sy aiza?Ahoana ny fomba handaniana azy sa vitan’ireny tohana ara-tsosialy izay misy ny mahazo ary misy ny tsy mahazo ireny? Ohatrinona ny lany nananganana ny rafitra CCO Covid 19 Ivato.Firy ny olona miasa ao, mandray tambin-karama ve sa miasa an-tsitrapo? Ireo fitaovana tonga teny Ivato, inona no fanomezana, inona no novidian'ny fanjakana Malagasy ary ohatrinona. Zon’ny olom-pirenena izany, ary amin’ny anaran’ny firenena Malagasy rahateo no ahazoana fanampiana, fa tsy amin’ny anaran’ny filoha na ny antokony kanefa toa ampiasaina hatramin’ny loko politika amin’ity raharaha ity. Tsy finiavana hitsikera, fa tena mila fahitsiana, fangaraharana, ary indrindra fanetren-tena ny mitondra sy mitantana firenena, fa tsy hoe izahay aloha izao no eto dia izay tianay ihany io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT