Edito

Be fihetsiketsehana


  • Zoma 10 Martsa 2017

Anatin’ny vanim-potoana maha tra-pahasahiranana ny ankamaroan’ny mponina tahaka izao, mialoha ny nitrangan’ny loza no hisian’ny asa be dia be tsy arahana sehoseho sy kabary isak’izay mihetsika satria efa vonjy aina.

 Voatery tsy maintsy hampiantso mpanao gazety ve raha toa ka hiteny na dia hoe hampahatsiahy ny zavatra efa hain’olona tsianjery aza ? Toy izany koa izay nitranga rehetra omaly. Heverina fa tsy fotoana tokony hilazana izao fa nahomby ny paikady napetraka niatrehana ny loza satria dia tonga amin’ny oha-pitenenana hoe tsy mbola tafavoaka ny ala isika izao. Mendrika hankasitrahana tokoa ireo fanampiana rehetra natolotra ary tsy fotoana tokony hitsarana koa izao hoe kely ireny sa betsaka na koa hoe ampy sa tsy ampy saingy tsy ilaina kosa angamba ny mampahatsiahy isak’izay mihetsika hoe manao zavatra ny fanjakana satria hitan’ny olona ho azy foana izany raha izay tokoa no zava-misy na dia tsy tenenina akory. Efa anaty fahoriana ve mbola misy fandokafan-tena ihany ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT