Edito

Be fihetsiketsehana


  • Sabotsy 26 Novambra 2016

Tsy fantatra ny tanjona amin’izao fihetsiketseha mitranga amin’izao fihaonamben’ny frankofonia izao.

Tsy ny hita eny amin’ny lalam-baovao sy ny eny Ivato ihany no tiana holazaina fa ireo hetsika politika ataon’ny mpanohana sy mpanohitra ny fitondrana miseho amin’izao fotoana izao koa. Ny an-daniny mahavita mampivory mpanao gazety mihitsy ny fiandohan’ny herinandro teo hidradrana fa tokony hovoizina hoe misy tombontsoa ho antsika ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia. Ny an-kilany kosa ny mifanohitra amin’izay no voiziny. Ny an’ireto farany moa dia nisy ny efa nitarika fihetsiketsehana an-dalambe omaly saingy tsy nahasarika olona satria be, hoy izy ireo, ny fandrahonana isan-karazany natao tamin’ireo vahoaka sy ny fandrahonana hosamborina ny mpitarika. Anio dia mbola samy hanohy ny fihetsiketsehany koa ny roa tonta. Ny iray hanaratsy endrika ny fihaonambe, ny an-kilany kosa haneho amin’ireo vahiny fa milamina eto amin’ny firenena. Dia ho hita izay ho vokany.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT