Edito

Be fiavy am-boalohany fotsiny…


  • Zoma 13 Febroary 2015

Raha mbola variana amin’ny ady varotra fiara 4x4 ny solombavambahoaka, raha mbola maika namelabelatra ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny praiminisitra dia mirongatra indray ny asa-dahalo any atsimo

.Betroka izay efa fantatra fa faritra mena momba ny halatr’omby sy asan-dahalo no nisongadina indray satria nisy ny zandary maty, notifirin’ny dahalo.Tsy voalaza kosa hoe firy ny dahalo maty na naratra voatifitry ny zandary.Handefa miaramila fanampiny any an-toerana izahay hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, hijery ny zava-misy, hikaroka ny vata mangatsiakan’ireo zandary lavo am-perinasa.Fa tsy mba azo natao ve ny nametraka zandary sy miaramila maromaro fa tany amin’io faritra io, amin’izay mba maro fa tsy 15 fotsiny ny zandary manenjika dahalo ?Teboka faha 4 ao amin’ireo ventin-kevitra valon’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny fanamafisana ny fandriampahalemana…dia ahoana ary no atao e ?Ny zava-misy hita sy ren’ny olona isan’andro dia ny hoe misy zandary na polisy miray tendro amin’ny jiolahy, nisy miaramila namaky trano niaraka tamin’ny jiolahy…na ny hoe nisy zandary maty voatifitry ny dahalo.Resabe no nataon’ny fitondrana nandritra ny herintaona, nolazaina fa niova fo ny dahalo, nomena vola be hoe hivelomany hono,  miverina indray anefa izao ny asan-dahalo tahaka ny tamin’ny andron’i Remenabila, dia ho hita eo indray e.Asa hoe hanao Opération coup d’arrêt indray ve sa nahita hevitra hafa hamongorana ity asan-dahalo ity ny fitondrana.Hentitra mantsy ny fandrenesana ny tenin’ingahy praiminisitra fa andrasana kosa ny asa mivaingana fa tsy vitan’ny kabary tsara lahatra izy ity a !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT