Hita ho miezaka mba mampiasa tetika ihany ny eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra sy ireo zatovo lahy miara-miasa aminy, fa tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao ny fandaminana ny tsena sy ny mpivarotra amoron-dalana. Efa tsy dia fampiasa intsony moa ankehitriny ilay hoe mpivarotra tsy ara-dalàna, satria toa efa lasa fomba amam-panao ny fandikan-dalàna eto amintsika. Raha somary nihena isa ireo mpivarotra amoron-dalana dia, nanampy isa ny olona eny amin’ny sisin-dalana indray ireo bokon’ozatra natao hiambina izay mbola sahy mamelatr’entana, misy ny manao fanamiana, ao kosa no tahaka ny olon-tsotra, ary tonga dia mibata ny entana avy hatrany fa tsy be resaka sy tsy mila fanazavana. Aiza ho aiza ilay toky nomen’ny Pds tamin’ny faran’ny taona, hoe rehefa vita ny «Bazar de Noël» sy ny tsenan’ny faran’ny taona dia hilamina amin’izay ireto mpivarotra amoron-dalana ireto ary tsy voasembatsembana intsony ny fifamoivoizana ? Efa ho avy ihany ity ny «Bazar de Pâques», aorian’io dia efa higadona ny Fetim-pirenena, sady jobily, feno 50 taona ny niverenan’ny fahaleovantena amin’ity taona ity, koa tsy hangataka iray volana mialoha io daty io indray ve ny mpivarotra sy ny mpanao bizna.
Aorian’izay dia ho avy ny fialan-tsasatra, matetika fanaovana fihenam-bidy. Dia ahoana ny fepetra horaisin’ny Kaominina, hitohy isan’andro hatramin’ny faran’ny taona ve ny fanenjehana mpivarotra ? Mba renivohitra ihany Antananarivo, kanefa mikorontana sy maloto lavitra raha oharina amin’ny tanàn-dehibe hafa eto amin’ny Nosy. Raha ny fahitana azy hatreto, aloha dia tsy manana vahaolana hafa ny mpitantana ny tanàna, fa hanohy ny fanenjehana sy fakana ny entan’ny mpivarotra. Azo itarafana ny tsy fahafahan’ny mpitondra amin’izao fotoana manatanteraka tetikasa izany, ary manaporofo indray fa tsy hisy filaminana sy fitoniana ho hita ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Tsy mahagaga raha tsy misy ny tetikasa matotra tanterahana, satria tsy misy ny vola, zara raha ampy handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy hividianana solika ny tahiry eo am-pelatanana. Azo itarafana ny fiainan’ny firenena iray ny renivohiny, dia miteny ny sary raha mandinika ny zava-misy eto Antananarivo, maloto ny tanàna, feno fofona maimbo etsy sy eroa, nivadika ho WC ny kihon-dalana sy ny elakelan-trano rehetra, feno mpivarotra ny lalana, ny miaramila mirongo fitaovam-piadiana mandany andro miambina ireo toerana tokony hanehoan’ny olona ny heviny ; ny asan-jiolahy anefa mirongatra isaky ny fokontany. Tsy ho ela dia hivadika bazar tanteraka ny renivohitra ka hifangaro voraka ao avokoa ny zava-drehetra, ary hanjakan’ny didin’ny be sandry, tantara sisa ny fanajana ny lalàna fa efa samy manao izay danin’ny kibony ny tsirairay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.