Basy tsy mipoaka ?

Tsy finiavana hamendrofendro fa zary tsy


  • Zoma 13 Jona 2025

hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay inoana sy harahina ankehitriny.

Ny mpitondra ankehitriny tsy atokisany, efa zary hainy tsianjery ny lainga sy fitaka, fampanantenana poakaty, fitiavan-tseza sy fahefana diso tafahoatra, fanamarinan-tena,… Ny antsoina hoe : mpanohitra ihany koa anefa toa tsy azony ianteherana sy tsy tena ananany fitokisana raha tarafina amin’ny fifidianana izay nandeha. Ekena ary tsy lavina fa betsaka ny hosoka sy halatra, fa na izany aza mbola mitoetra foana ilay hoe : ny 60% amin’ny Malagasy tsy tonga mifidy. Lesoka goavana mila harenina amin’ny raharaham-pirenena izany satria ny vitsy an’isa no mipetraka mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeran’ny maro an’isa. Zary mampety sy mampahomby hatrany ny teti-dratsy ara-politika samihafa. Manahirana ihany koa ity fomba fijery izay toa ezahina ho lasa raiki-tapisaka sanatria toa lasa miorina amin’ny fanompoana tsangan’olona ity, ka rehefa tsy mpomban-dRakoto izany dia tsy maintsy mpomba an-dRabe. Rehefa tsy mitovy hevitra amin-dRakoto dia terena fotsiny ho naman-dRabe,… Ezahana takonana sy haratsiana ny mety ho hevi-baovao sy fijery vaovao, hany ka tsy miova sy tiana hijanona amin’izao endrika izao hatrany ny fanaovana politika. Zary lasa « basy tsy mipoaka » fa filalaovana saim-bahoaka hatrany no re etsy sy eroa. Misy ny mampanantena volana aman-kitana sy milaza fa hamoaka hampanankarena ny Malagasy, kanefa ny vokatra miha mikoroso fahana hatrany. Raha ny fampanantenana natao teto no tanteraka na dia ny 50% monja aza efa tsy tahaka izao intsony isika. Andaniny, mandeha ny kabary politika samihafa etsy sy eroa, mampanantena fa hisintona ny Malagasy ao anaty gejan’ny fahapotehana sy tsy fahaiza-mitantana. Rehefa tonga ny fifidianana dia lazaina fa tsy hanaiky hatramin’ny farany, ampy izay,… kanefa ny eo ihany no eo, ka zary lasa « basy tsy mipoaka » hatrany ihany koa. Vokatr’ireny, very tondrozotra ny ankamaroan’ny olom-pirenena hoe : iza ihany no azo itokisana eto ? Sanatria toa miala an’Ankatso dia Ambohidepona ? Mila averina ny fifampatokisana, mila miova ny fanaovana politika, mila fitiavan-tanindrazana tena izy fa tsy fitiavan-tena sy fanaovana tohatra ny valalabemandry,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT