Edito

Basin’ariary fito ?


  • Zoma 27 Mey 2022

Tsy misy angamba olona iray mirotsaka kandida hitondra firenena, dia tena handeha hamotika sy hanala baraka ny tenany no ao an-tsainy, fa mba hametraka zavatra tsara sy hampandroso ny vahoaka.

Matoa kosa tsy mahomby, dia midika fa io vokatra miiba azony io no tsara indrindra vitany sy todin’ny bakam-pilesiny. Sarotra aminy anefa ny hiaiky ny tsy fahombiazany, mangidy ho azy ny ho very seza ka aleony manohy ny fampanofinofisana avo lenta kokoa,… Tsy zakany ny mahita vahoaka vory ka tsy azony ny ainy raha tsy mampanantena zavatra, mangidihidy mafy ny molony sy ny lelany ary ny tenany raha tsy hampananten sy hanao pimaso sitrany ahay vato iray, eny fa hatrany am-piangonana aza manomboka hanehoany ny talentany. Toa lasa basin’Ariary fito hatramin’ny fomba fanaovana politika ka na ny mety ho manana fari-pahatakarana ambony kokoa mahatsapa fa tsy alehany mihitsy ny fomba fiasa sy ny laharam-pahamehana. Ny vahoaka madinika mahita fa politikan’ny haingo ambony tsikoko, ka ny kisehoseho ivelany no lasa aloha, fa ny tena asa sy vokatra miantraika amin’ny daholobe poakaty. Ny sarety hatrany anefa matetika no lasa alohan’ny omby, ka ny hoenti-manana tsy mazava fa ny fampanantenana aloha no alefa mialoha, hany ka matetika midona amin’ny rindrina. Avy eo, boriboriana amin’ny hoe : tsy vita 2 na 3 taona ny fampandrosoana firenena kanefa izy izao no milaza fa ao anatin’ny 5 taona no hanaovany ny tsy vitan’ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona. Miainga amin’ny kisendrasendra hatrany anefa fa tsy misy drafitra mazava hoe ho tahaka ny ahoana ilay Malagasy sy ny fari-piainany rehefa vita ny 5 taona ? Tsaratsara ny vokatry ny ekipam-pirenena tamin’ny baolina kitra dia mora ny mamoaka vola tsy toko tsy forohana hanaovana kianja, tafita amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny rugby vehivavy dia hoe: misy tetikasa tampoka mombana kianja na tsy tao anaty programa aza, taitaitra mahita mpino maro be dia lasa malala-tànana amin’ny fanamboarana ny fiangonana manontolo,… Raha ny fahoriam-bahoaka efa mihatra aman’aina maro ity mantsy no mba hanaovana tahaka izany an ?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT