Ny taona no miova fa ny fomba fisainana dia tahaka ny taloha ihany. Raha mbola manana fahefana i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy dia tsy hisy an’izany Marc Ravalomanana tafaverina an-kalalahana eto Madagasikara izany.
Ny Ravalomanana kandida dia tena nofy ririnina araka ny fomba fiteny. Matoa naongana ity filoha teo aloha ity, dia tsy tiana hiverina eo amin’ny fitondrana intsony ary tena miasa mafy ho amin’izany ny FAT. Mbola noho izany ihany koa no tsy hamelana azy hody eto an-tanindrazana, mbola maro mantsy ny mpanohana azy, koa raha eto an-toerana izy dia ho sarotra ny hanakana sy hanampim-bava ireo olona ireo. Mazava ny lalao eo ambony kianja ankehitriny fa tena baolina...an-kamely, mandeha ny sakana sy ny fingana ary ny don-kiho. Tsy olana ho an’ny sasany na mahita izany na tsia ny mpitsara.
Mety tsy dia mahita tsara rahateo ny mpitsara, na efa akama ka mody mampiady baolina fotsiny fa ny resaka efa vita mialoha. Ny zava-dehibe amin’ny ekipan-dRajoelina dia ny hoe : tsy miditra ambony kianja intsony ary tsy mipasy, tsy mandaka sady tsy mamono baolina i Levalo. Izay mpijery manohana azy, afaka mihogahoga ety ivelany, tsy olana amin-dry FAT izany, satria rehefa reraka ireo, mangina ihany. Raha mba mahita paikady vaovao ny ekipan-dRavalomanana ka tafiditra an-kianja dia fanazaran-tena fotsiny ihany, no vitan’izy ireo, dia efa voaroaka hivoaka izy ireo, na izy tenany mihitsy no tonga dia miala.
Tsotra be ny resaka eto : izay eo ambony kianja ihany no afaka mijijy sy mamono baolina, fa izay any ivelany dia, afaka mionona amin’ny horakoraka sy ny fanakianana, dia rehefa tsy faly manao baolina an-tanimbary fa ny ao Mahamasina efa lasan-dry zandry kely ambongadiny. Kisarisarin-teny tahaka izany no azo hamintinana ny zava-misy eo amin’ny tontolo politika, taorian’ny nampitsefotra indray ny dinika tany Seychelles sy taorian’ny fanambarana feno fahasahiana nataon’ny filohan’ny tetezamita omaly teny Ivato, momba ny filoha teo aloha. Raha ny fahitana azy dia manana safidy roa mazava ny ankolafy Ravalomanana. Na miady hatramin’ny farany ka mandrodana mihitsy an’i Andry Rajoelina na manangana saina fotsy dia mibaboka fa resy dia mijanona any Afrika any Atsimo any, mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ny ankoatra izay dia tsy azo eritreretina satria na haniry nify aza ny akoho, dia tsy hanaiky ny hiverenan-dRavalomanana an-kalalahana sy am-pilaminana eto izany Rajoelina sy ny ekipany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.