Edito

Baolina an-kamely


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Na dia tsy misy fanambarana amin’ny fomba ofisialy avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany aza dia efa vaky ny ady eo amin’i Marc Ravalomanana sy ny fitondrana HVM. Mitombo isan-kerinandro ny antsojay na filam-baniny atao

 


amin’ny TIM sy ny orinasa Tiko izay midika avy hatrany fa kapa vava ranjo atao amin’i Marc Ravalomanana satria izy no namorona ny antoko sy ny orinasa. Samy mahatakatra ny rehetra fa tafiditra ao anatin’ny kajy politika hanakanana ny fiverenan’ny TIM sy Ravalomanana Marc eo amin’ny fitondrana ireny zava-drehetra natao ireny. Mbola misy amin’ireo mpitondra ambony sy manampahefana eto no manatanteraka ny baikon’ny mpanjanatany ka manakana ireo rehetra hita fa tena tia tanindrazana sy sahy mijoro miaro ny Malagasy. Mbola manana roa taona hijanonana eto amin’ny fitondrana ny HVM, ho avy ny fifidianana filoham-pirenena aorian’io, dieny izao anefa dia efa manomboka hita soritra ireo kandida maventy, misimisy ihany ny efa manoman-tena, ary azo antoka fa hisy koa ny kandida tsy ampozina sy ireo kandida hanaparitaka vato fotsiny. Tombantombana tena manaraka ny lôjika politika ny ahitana kandidan’ny HVM sy ny TIM ary ny MAPAR amin’io fifidianana amin’ny 2018 io. Tsy miandry propagandy anefa ny antokon’ny fitondrana fa izao sahady dia efa manao baolina an-kamely, izahay koa mahasahy matoa mijoro, hoy ny sasany… Hafana izany ny lalao e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT