Edito

Bandy sy Rôla !


  • Alarobia 24 Novambra 2010


Taorian’ilay fikomian’ireo manamboninahitra teny amin’ny BANI Ivato dia mandeha ny resaka fa mbola maro be no tsy maintsy antsoina hatao fanadihadiana. Ao ny ho afaka madiodio fa tsy maintsy hisy kosa ny voatazona am-ponja vonjimaika satria niray tsikombakomba tamin’ny tetika hanonganam-panjakana. Ho sarotra ny toe-draharaha satria mitranga ao anatina vanim-potoana mampamaivay ny fifandirana politika. Mbola manitikitika ny sain’ny maro anefa amin’izao ny marina tao ambadik’iny raharaha BANI iny. Iza tamin’ireo manamboninahitra teny an-toerana no mpamadika na mpanano sinema ? Efa maro loatra ny sinema natao teto hatramin’ny nanombohan’ny krizy ka sarotra ho an’ireo maharaka tsara ny toe-draharaha politika eto no tonga dia hihinana am-bolony ny zava-miseho rehetra etsy sy eroa. Iza no tsy nahalala fa efa tafiditra tao anatin’ny sinema ny fidiran’ireo mpitolona mpanara-dia an’i Andry Rajoelina teny amin’ireo ministera dimy teny Anosy tamin’ny martsa 2009 ! Mbola sinema ihany koa ny nanafihana sy namoahana azy ireo tao. Nitohy indray io tamin’ny fanaterana ireo ministra teny Anosy, lohalaharana tamin’ireny ingahy Organès Rakotomihantarizaka izay mihozongozona seza amin’izao.

Moa va tsy efa sinema vita lamina hatry ny ela ny zava-nitranga teto Iarivo tamin’ny 26 janoary 2009, ary notohizana avy hatrany tamin’ny fiakarana teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 ? Mbola maro koa ny mametra-panontaniana hatramin’izao hoe firy tamin’ireo fametrahana baomba teto an-drenivohitra no tena izy, ary firy no sinema ? Tsy sanatria fanaovana tsinontsinona ny asan’ireo mpanao fanadihadiana sy ny mpitandro ny filaminana izay hita fa tena miasa tokoa, fa tena be loatra ireo fifanandrifian-javatra sy toe-javatra hafahafa ka mahatonga ny maro hieritreritra fa tena misy atidoha mpikotrika mihitsy ireo karazan-tsinema avo lenta vokarina eo amin’ny tontolo politka eto amin’ny firenena.

Taorian’ny fisamborana ireo mpitarika teny amin’ny Magro sy nampidirana am-ponja any amin’ny toerana tsy fantatra ny mpitarika ao amin’ny Ankolafy Telo dia hita ho nihena ny herin’ny mpanohitra no sady misesisesy indray ny fiantsoana olona hatao fanadihadiana eny amin’ny mpitandro ny filaminana. Izany rehetra izany dia mifanojo indrindra amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fahalanian’ny Eny amin’ny isa mazava 74%. Dia hoy ireo mpandinika ny raharaham-pirenena hoe : tena tretrika ingahy Rajoelina ankehitriny, fa sady lanim-bahoaka ny lalàmpanorenan’ny repoblika fahefatra, izany hoe mety afaka hilatsaka hofidiana filoha izy. Ireo filoha teo aloha nilaza fa hody an-tanindrazana tsy ho ela, dia mbola tafahitsoka any ivelany. Voasambotra avokoa ireo sivily sy miaramila mahitsy fitenenana amin’ny fanakianana ny fitondrana tetezamita, tsy misy isan’andro intsony ny fivoriana etsy amin’ny Magro, tsy misy mitabataba intsony na dia tsy tafiditra ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny CT sy ny CST aza ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka, grevy tsy dia misy atahorana firy satria mifotora amin’ny fitakiana tombontsoa ara-bola ny an’ny mpitsabo sy ny mpampianatra mpikaroka ary ireo sendika hafa.

Tsy olana amin’ny FAT izany satria manam-bola hampanginana ireo izy. Efa nahomby izany tamin’ny mpitsara ka azo antoka fa handaitra amin’ireo sehatr’asa hafa ihany koa. Fehiny dia tahaka ny any anaty sinema mihitsy ny mitranga eto, misy ireo ambara fa migidragidra sy manakorontana amin’ny endriny rehetra, dia misy ireo lazaina fa tompon’ny fahefana miaro ny vahoaka ka miaraka amin’ny fiara mirenty sy izao karazana basy sy fitaovam-piadiana rehetra izao misambotra izay manakorontana, dia mipoitra sy miteny amin’izay ny rôla rehefa voafonja ireo bandy rehetra. Bandy sy Rôla e !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT