Edito

Azo tsapain-tanana


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2021

Tafatsangana indray izany ny antsoina hoe : governemantan’ny asa araka ny nanambaran’ny Filoham-pirenena azy omaly.

Niova kely ny paikady raha ny fahitana azy fa tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay, tsy nisy ilay fomba firesaka mampanonofy sy mametraka tanjona avo be fa tonga dia hoe miandry vokatra azo tsapain-tanana avy aminareo ny vahoaka .Inona moa no azo handikana izany fa tsy ny hoe tena mafy ilay fiainana andavanandro, sempotra ny fahasahiranana ny olona, mila manatona , miresaka sy mihaino ny vahoaka any anaty fiarahamonina any ireo minisitra ary manome vahaolana avy hatrany. Midika izany fa mahatsapa ilay fahasahiranana eo amin’ny lafiny rehetra ny fitondram-panjakana ka te hitondra vahaolana haingana fa sao lahy ka basy indray mandeha mipoaka tahaka ny an’ny HVM ka tsy ho lany intsony amin’ny fifidianana 2023. Azo sary an-tsaina fa tsy mora ny fifandaminana sy fifandresen-dahatra tao an-dapa tao mialoha ny fanendrena ireo minisitra 32 mianadahy sy ny fitsinjarana ny asa aman’andraikitra.Inoana fa nisy adivarotra tao ka mety tamin’ny ora farany mihitsy vao hita ny marimaritra iraisana.Manana roa taona sy tapany ny fitondrana Rajoelina hanaporofoana fa mahavita mamaha olana no sady mahavita mampandroso ny firenena.Zavatra tsotra ny paikady saingy variana loatra tamina nofinofy sy endrika ivelany moa teo aloha teo. Ny an’ny vahoaka amin’izao fotoana izao aloha dia ny : misakafo araka ny tokony ho izy, salama, mandry fahalemana, afaka mampiana-janaka, misy asa atao no tena mahamaika azy.Rehefa tanteraka ireo mandeha ho azy ny zavatra hafa rehetra. Resahana toa moa izany, fa mitaky finiavana, fahasahiana, paikady matotra, fifanampiana sy fifandeferana ny fanatanterahana azy.Tokony hisinda amin’ny alalan’ny fomba fiasa mangaraharaha ny ahiahy tsy hihavanana.Tsy misy ny fahagagana fa ny asa ihany no mampandroso ary ny zavatra tena ilaina aloha no atao dia miakatra miakatra hatrany avy eo.Hajaina ny an-tanan-tohatra fa tsy mitsambiki-mikipy.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT