Azo avaozina daholo!

Andron’ny fanovàna izao.


  • Alakamisy 05 Febroary 2026

Andron’ny fanavaozana izao.

Fehezanteny matetika niverimberina tanatin’ny 3 volana mahery izany. Natao ofisialy moa ny anarana hoe fiadidiana ny fanavaozana saingy tsy azo adinoina foana koa nefa ary efa voarakitry ny tantara hoe fitakiana fanovàna no nitranga nandritr’ireny tolona natao farany teto amin’ny firenena ireny. Tsy mahagaga, noho izany, raha any amin’ny anaran’ny rafitra misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia efa mampiady hevitra hoe «Tokony ho fanovàna fa tsy fanavaozana izany!». Ao koa ny miteny hoe resaka anarana tsy natao ampiova ny fototry ny tolona izany. Na fanovàna io na fanavaozana samy ilaina avokoa. Ny firenena moa malaza ho firenena Kristianina. Ny filoha mitarika azy ankehitriny rahateo hoe mpiandry. Tonga amin’ny teny soratra masina ao amin’ny Baiboly Kristianina ve izany izy ity hoe «Indro avaoziko ny zava-drehetra!»? Raha izay teny izay tokoa aloha izany no raisina dia midika izany hoe azo avaozina daholo io rehetra io! Inona moa no dikan’izany fa tsy fanovàna ihany? Ravàna daholo, ovaina daholo, avaozina daholo! Izay izany ilay izy rehefa fehezina ka inona indray no mbola tokony hampiady hevitra be ao anatin’izany fa tsy atao ilay fanavaozana sy fanovàna? Maninona raha tena atomboka any amin’izay ity hoe fikaonandoham-pirenena ity fa hihamafy eto ihany ny krizy? Aiza ireo heverina hoe raiamandreny rehetra nantsoina teto amin’ny firenena? Aiza ny FFKM, ny raiamandreny ara-drazana, ny mpitan-kazomanga, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, izay mahatsapa ny tenany ho malagasy ka afaka mitondra ny anjara biriky sy soso-keviny hahafahana mamaha amin’izay ity olam-pirenena efa lalina loatra hatramin’ny fotoana naha voababon’ny frantsay ny firenena nanomboka ny taona 1896 no ho nankaty ity? Inona no mbola sakana? Azo ovaina daholo, azo avaozina daholo izany izy ka andeha zatsy izy, hoy ilay zokibe iray izay!
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT