Azo antenaina hihaino vahaolana ve?

Notsikerain’ny mpiaradia tamin’izao fitondrana izao fatratra matetika


  • Zoma 21 Jona 2024

ny hoe faly manakihana fotsiny ny mpanohitra fa tsy mba mitondra vahaolana.

Iaraha-mahalala nefa ankehitriny fa samy mitondra tsikera ho an’ny fomba fitantanana eto amin’ity firenena ity avokoa amin’izao fotoana izao ny herivelona rehetra ivelan’ny fitondrana. Tsy mpanohitra ihany fa vao omaly izao dia efa nisy fiarahamonim-pirenena ela nietezana indray nanatsikafona ireo tsy fahatomombanana rehetra tao anatin’iny fifidianana solombavambahoaka natrehin’ny firenena farany teo iny. Mitsikera ny fomba fitantanana koa ireo hery politika hafa milaza azy ho afovoany. Samy manome sosokevitra na hoe vahaolana ihany koa anefa. Ao ny milaza fa maika ny fijerena ny fanarenana ara-toekarena sy sosialim-bahoaka. Maika lavitra noho ny fananganana torapasika voatr’olombelona sy fampisehoana manjelanjelatra hafa ny fanarenana ireo lalam-pirenena isan-karazany toy ny lalam-pirenena faha 2 sy 13, ohatra. Ny fanontaniana mipetraka koa anefa etsy ankilan’izay dia ny hoe mbola azo antenaina hihaino vahaolana tokoa ve nefa ilay fitondrana mijoro ankehitriny, izay niaraha-nahita io tao anatin’ny 5 taona mahery fa tsy nanao afa-tsy izay saim-pantany na dia efa niarahan’ny rehetra nahita aza ny vokatr’izany fa fanamafisana ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy? Iaraha-mahita ankehitriny fa mbola firenena milentika anaty fahantrana lalina indrindra eto ambonin’ny tany no vokany. Hisy sahy hilaza izao zava-misy izao ho fandrosoana ve? Hisy hahavita haneho, indrindra, ihany koa ny maha azo hamaritana an’izao ho fandrosoana ve? Fandrosoam-pirenena eto no resaka, na ara-toekarena izany na ara-tsosialy? Iza no sahy hilaza fa tsy sahirana ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao? Averina hatrany anefa ny fanontaniana. Mbola azo antenaina hihaino vahaolana ve ny fitondram-panjakana?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT