Edito

Aza tia tena loatra e !


  • Alarobia 13 Janoary 2016

Dia tena mahagaga sy mahatalanjona ny zava-misy eto an-drenivohitra, tsy sanatia fanamaivanana ny fitadiavan’ny hafa, fa na izany kosa aza dia mba rariny ve ilay mivarotra anaty arabe sy amin’ny sisin-dalana mandavan-taona.


Tsy hoe tsy misy ny vahaolana, tena misy mihitsy fa misy mahita fialana bala amin’ilay izy foana.Moa va tsy any anaty tsena no tokony hisy ny mpivarotra, raha trano fivarotana amoron-dalana moa, efa resaka hafa indray iny, fa ilay hoe hivarotra anaty arabe sy amin’ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra mihitsy no mahavalalanina.Tena misy ve izany ny olona tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany sy izay maha mety azy ihany, fa izay manahirana na mety mahasosotra ny hafa dia tsy hivakiany loha mihitsy na dia iray segondra monja aza ?Ahoana moa no hieritreretana tanàna milamina raha mpivarotra eny amoron-dalana, mpandeha an-tongotra anaty arabe, ary fitohanan’ny fiara isan’andro maraina hatramin’ny alina ?Tsy misy fivoarana mitranga raha tsy voahaja ny fitsipika sy ny lalàna, tena asa be io ary mila fahafoizan-tena goavana miainga amin’ny tsirairay.Azo alamina tsara ny eto Antananarivo fa ny finiavana sy ny fahasahiana no tsy ampy hatramin’izay, mila fifampiresahana koa anefa io, ny fifampiresahana anefa tsy midika velively hoe asiana marimaritra iraisana mandika lalàna.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT