Aza taritina amin’ny làlan-diso ny olona !

Tsy fanao ny mijery arina an-tava, tsy


  • Talata 26 Novambra 2024

fomba ny manararaotra ny olona amin’ny tsy fahalalany,

poizina ny fitondrana ny vahoaka amin’ny làlan-diso,… Tsy izany intsony izao no mitranga, fa tena mihazakazaka ny fivoizana fifandrafiana sy fifanenjehana ara-politika eto amintsika. Tsy finiavana hitsikera, fa tena misy heverina sy tokony ho olobe sy fitaratra amin’ny fahaiza-mandala ny fihavanana sy ny fiaramonina izany, saingy toa mandraraka afo eo ambony menaka ihany, raha tarafina amin’ireny teny mandratra toy ny resaka fivoizana foko sy fiaviana ireny, ankoatra ny fanasoketana politika samihafa. Manampy trotraka izany, sanatrian’ny vava toa amporisihina tahaka ny biby na baikoana toy ny « robot » ny olom-pirenena sasany fanao fampielezana fankahalana sy fanasokajiana olona na vondron’olona ho devoly sy fahavalo na «campagne de diabolisation » ka na inona na inona fanehoan-kevitra na fitateram-baovao ataon’ireo sokajiana ho fahavalo politika, dia miara-mirohotra manao fanaratsiana tsy misy porofo,… Mitohy ny fanaovana izany ho an’ny Kandidan’ny Antoko Tia Tanindrazana eto Antananarivo noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika sy ny fahasahiana nanaposaka ny marina mikasika ny tontolon’ny fanoherana. Tsy nisy na iray aza olona avy amin’ny vondrona isan’ny noresahany nijoro ampahibemaso nitondra fandisoana, fa dia ny fanenjehana sy fanosoram-potaka eny amin’ny tambajotran-serasera no mirarakopana. Ny marina marina foana, ary ny ho avy no hitsara ny tsirairay, saingy sintonina ihany ny sain’ny rehetra hoe : efa izao ve ny Firenena dia mbola hosintonina midina amin’ny fambolena toe-tsaina mirefarefa sy tezaina hankahala izay tsy mitovy hevitra ny olona? Izany ilay isan’ny mila fanovana ka ijoroana hatrany !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT