Edito

Aza mora tezitra moa e


  • Zoma 27 Martsa 2020

Hita ho tezitra sy hendratrendratra be ihany ny filoham-pirenena halina raha niresaka mivantana tao amin’ny TVM ;

 

mialoha azy ny tolakandro dia efa niteny mavesabesatra ihany koa ny minisitry ny serasera.Fa inona no anton’izany fahatezeran’ny manampahefana izany ? Resaka vaovao ambara fa tsy mitombina, tsaho moa izany raha marimarina kokoa ; tsaho nilaza fa tsy mitombina ny tarehimarika fa efa maro be no voan’ny Coronavirus eto ary efa 200 no maty.Karohana fatratra ilay vehivavy nambara fa nanely an’io tsaho io ary tolorana 5 tapitrisa ariary izay hahazoam-baovao mety ahitana azy.Fihetsika tena voajanahary ny tezitra rehefa iny ianao miasa mafy iny saingy ny hafa mitazana na tsy mahita tsara akory ny fiafinao sy ny fiaretanao ary ny adin-tsainao no maneno be sy mivazavaza .Tena zavatra « normal »  izany.Saingy izao kosa, hafa izany hoe mpitondra fanjakana ambony izany e…indrindra fa hoe filoham-pirenena.Mila mahafehy tena, mahatsindry fo, tsy mora korontanina na adalaina.Ny olona anie tsy maintsy mahita tenenina foana e, io ilay hoe vavan’ny spekta rehefa mandeha izay ny baolina.Tahaka ny hoe lasa mpanazatra daholo ny olombelona rehetra ary kianina mafy ny safidy nataon’ilay mpanazatra.Efa tena izay mihitsy ilay fiainana an-tany, ary tsy ny fivazavazana no entina ilazana fa hoe manana ny marina ianao.Asehoy amin’ny asa, fiteny, fihetsika fa misy tokoa ny mangarahara.Hamafiso ny serasera ifotony tena mifampikasoka amin’ny vahoaka fa tsy variana amin’ny resaka ambony latabatra.Mbola misy anie ny olona any anaty fokontany any tsy mino fa hoe misy ary mahafaty ny Covid 19 e.Misy milaza fa aretim-bazaha sy mahavoa izay mitaingina raopilanina io fa tsy mahavoa ny sarambabem-bahoaka.Natao hitarika, hampianatra, hanoro, hanabe ny mpitondra fanjakana fa tsy hanao vavabe isaky ny tratry ny fanakianana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT