Nanamafy ny UCTU omaly fa tsy azo ihodivirana ny fiakaran’ny saran-dalana ho 400 Ariary manomboka ny alakamisy 01 novambra izao.
Mbola tsikaritra tamin’ny taksibe maro nifamezivezy teto Antananarivo Renivohitra ihany koa ny afisy manamafy izany. Etsy ankilan’izay dia nilaza koa ireo kaompania lehibe mpanafatra sy mpitsinjara solika fa tsy maintsy hisy ny fisondrotan’ny solika mialoha ny faran’ny taona. Ary ireto farany moa dia tsy maintsy tody foana amin’ny fanambarany satria miray hevitra tsara fa tsy tahaka ny mpitatitra, izany hoe tsy maintsy hisondrotra indray ny vidin-tsolika ato anatin’ny roa volana. Tena masiaka ny fanjakana sy ny mpanjifa manoloana ny fikasan’ny mpitatitra hampiakatra ny sara-dalana. Tsy hita akory anefa izay tena apoaka rehefa ireo kaompania vahiny no manapa-kevitra hampiakatra ny vahiny no hampiakatra ny vidin-tsolika fa toa mody samy mimenomenona fotsiny dia mangina sy manaiky ihany avy eo.
Samy tombombarotra anefa no tadiavin’izy ireo, ka mba mahagaga ihany no hanekena moramora foana ny fampiakarana ny vidin-tsolika, fa kosa hanerena amin’ny fomba rehetra ny mpitatitra tsy hampiakatra ny saran-dalana. Toa misy mizana tsindrian’ila izany ilay izy rehefa tena dinihana. Tato anatin’ny herintaona sy tapany izao dia efa in-telo nisondrotra ny vidin-tsolika, ary nanaiky daholo ny rehetra. Fa nahoana kosa moa rehefa hampiakatra indray mandeha ny saran-dalana ny mpitatitra dia ambara fa mety hitarika korontana ? Mitaky fahatsiarovan-tena avy amin’ny tsirairay izany, ary tena mitaky fandraisana andraikitra goavana avy amin’ny mpitondra fanjakana.
Mahakasika mivantana ny fiainan’ny vahoaka mantsy ny vidin-tsolika sy ny saram-pitaterana ary mifampiankina, koa rehefa misy ny fisondrotana amin’ireo dia tsy maintsy hisy akony amin’ny vidim-piainana izany na ho ela na ho haingana. Tsy sanatria fiarovana na fiandaniana amin’ireo mpitatitra mikasa ny hampiakatra saran-dalana mihitsy, fa mba tokony hodinihana tsara kosa ny zava-misy rehetra fa efa tamin’ny 2004 no nisy fisondrotan’ny saran-dalana farany, efa ho isan-taona kosa anefa no misondrotra ny vidin’ny solika. Raha tiana ny hampilamina sy hampirindra izany rehetra izany dia mila mahita vahaolana haingana, tahaka ny fahakingany nikaroka volabe nanorenana kianja sy hopitaly manara-penitra ny fitondrana tetezamita. Tsy misy fitantanana firenena vanona raha misy fanapahan-kevitra mitanila tahaka izany foana avy amin’ny manampahefana, indrindra moa fa raha ny lafiny ara-tsosialy no resahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.