Dia nandalo fa tsy niserana fotsiny fa nanaovana lanonana fahatsiarovana ny tranga niseho ny 07 febroary 2009, tsy tahaka ny 26 janoary fa dia nisy ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy io daty manan-tantara ho an’ny hetsika notarihan’i Andry Rajoelina io.
Natevintevina ihany ny fitohanan’ny fiara niakatra tany Antaninarenina sy Ambohitsorohitra omaly maraina noho izay. Nanamafy ihany koa ny avy ao amin’ny fikambanana AV7 fa tsy mipetra-potsiny izy ireo fa efa nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana iraisam-pirenena, ary nanaitra ireo masoivoho vahiny eto amintsika ihany koa mba tsy hitazam-potsiny iny raharaha 7 febroary iny. Fa ny zava-baovao tamin’ity taona ity dia mangataka ny hahazo toerana ao amin’ny parlemantan’ny tetezamita ireto niharam-boina tamin‘ny fiakarana teny Ambohitsorohitra ireto, satria, hono, nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona sy ny fametrahana izao fitondrana tetezamita izao izy ireo. Efa nazava moa ny didim-pitsarana fa dia asa an-terivozona mandrapahafaty ny an’ireo nambara fa nanome baiko, toa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny Jeneraly Raoelina ary manamboninahitra vitsivitsy hafa, sy ireo nambara fa nanatanteraka ny baiko ka nitifitra, dia ireo mpikambana tao amin’ny GP mpiambina ny lapa tamin’zany fotoana.
Ho an’ny mpahay lalàna sy mpandinika ny raharaham-pirenena ary mahafantatra tsara ny tantara anefa, dia tsy mora iny raharaha iny ary tsy vitan’ny hoe tsaraina ireo nambara fa mpitondra sy manampahahefana tamin’izany fotoana dia gadraina dia izay. Mbola maro be ny zavatra manjavozavo tamin’iny, izay ilana fanadihadiana matotra sy lalina, fa tsy sanatria atao fitsarana maimaika tahaka ny fanao nandritra ity tetezamita ity, koa ao anatin’ny iray andro dia avoaka ny didy. Dia tena gaga sy talanjona tokoa ny maro satria ny raharaha fanakorontanana nanenjehana an-dry Fetison sy ny tariny aza izao efa ho telo volana, tsy mbola hita ihany izay tena marina, toy ny raharaha BANI Ivato, saingy tena nihazakazahana aok’izany ny famoahana didim-pitsarana momba ny «raharaha 7 Febroary», tena hazakazahaka arahin-tosika, hoy ny be vazivazy izay.
Fa eo ihany koa ireo nanao fampitahana tsotsotra ny amin’ny hoe : mitovitovy ny raharaha «10 aogositra 1991» sy ny «7 febroary 2009», kanefa nahoana no tsy terena tsotra izao hogadraina mandrapahafatiny ny Amiraly Ratsiraka izay tena heno tamin’ny horonam-peo mihitsy ny feony nanome baiko ireo miaramila tao anaty elikoptera mba hitifitra sy handatsaka grenady.
Dimy taona mahery kely taorian’izay anefa dia tafaverina soa aman-tsara teo i Deba ary voafidy ho filoham-pirenena. Fa araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy ihany koa dia hita ho mandringa ihany ny raharaham-pitsarana momba ity «raharaha 7 febroary» ity satria dia afaka madiodio sy tsy tompon’andraikitra mihitsy ireo mpitari-tolona nitarika ny olona hiakatra teny Antaninanrenina, tafiditra ao anatin’izany i Andry Rajoelina, izay nanentana teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey, fa lasa nitsoaka nody nony avy eo, tao koa i Monja Roindefo, ny jeneraly Dolin sy Sareraka. Na dia atao aza hoe ny vahoaka no nanery ireo mpitarika hiakatra eny, dia manana adidy sy andraikitra ireto farany hilaza ny tena marina fa tsy azo atao izany miditra ao anaty lapam-panjakana izany, azo raisina ho fanafihana io. Maro be ny ambadika politika tamin’iny raharaha iny, ary efa manomboka mivoaka tsikelikely ny tena marina amin’izao fotoana. Mipetraka koa eto ny fanontaniana hoe : mety hiakatra teo amin’ny fitondrana ihany ve i Andry Rajoelina raha tsy nisy ny fandrobana sy ny ra mandriaka tamin’ny 26 janoary sy 07 febroary 2009 ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.