Edito

Aza misetrasetra kosa e !


  • Zoma 01 Jolay 2016

Tsy ny mpanao gazety na ny orinasan-tserasera eto Madagasikara mihitsy no devoly mihoatra an’i Losifera ka handrafetana lalàna sy hahafahany mihetsika firy.

 

Ekena fa adidin’ny fitondram-panjakana ny mametraka fitsipika sy lalàna handaminana sy handrindrana ny fitantanana ny firenena, saingy tsy ataotao foana izany fa tanterahana am-pisainana tsara. Tsy sanatria fampitahorana na fizahozahoana fa tsy ho lasa lavitra ny fitondram-panjakana mamaky ady amin’ny olon’ny serasera izany n’aiza naiza eto ambonin’ny tany. Mety tsy mitovy ny hevitra sy ny fomba fijery saingy azo karohana ny marimaritra iraisana hampisongadinana ny tombontsoa iombonana. Fa raha vao misy ny tia tena dia mandringa avy hatrany fiaraha-miasa, potika ny fifampatokisana, mivadika ho fahasorenana sy fankahalana ny fifanajana. Tena vao miha hanaratsy endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io tetika hanagejana ny sehatry ny serasera io, ary mety hanimba zavatra maro eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny any ivelany. Asa raha mba takatr’ireo mpitondra ihany izany na tsia. Inoana anefa fa handray fanapahan-kevitra hendry ny solombavambahoaka fa tsy hanao mpisolelaka fitondrana tahaka ny senatera. Tahaka ny lalana ihany, lalan-dra mampiaina ny fampandrosoana ny firenena ny serasera sy asa fanaovan-gazety  ka rehefa io no voageja na tsy miaina tsara dia efa mananontanona ny korontana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT