Edito

Aza mifanadala kosa e !


  • Talata 04 Oktobra 2016

Maro be loatra ny sangodim-panina politika ka izay no mahatonga ny olona tsy hivaky loha firy intsony amin’ny raharaham-pirenena


.Tamin’ity repoblika faha-4 ity angamba no nisy fikasana hanongam-panjakana betsaka indrindra teto Madagasikara, satria dia milaza fa mahita izany foana ny mpitondra ka io no mahatonga ny miaramila mihidy an-dakazerina tahaka ny tamin’ny faran’ny herinandro teo.Inona moa no tsy amoahanana mazava sy mangaraharaha tsara ny anaran’ireo izay nikonokonona izany fanonganam-panjakana izany ? Avoahy ho fanta-bahoaka e; fa raha vaovao manjavozavo tahaka an’io dia teraka ho azy ilay resaka hoe : “sinema an-dry zareo samy mpitondra ihany io”.Nisy fanonganam-panjakana teto tamin’ny 2009 ary samy nahalala ny rehetra fa paikady goavam-be niarahana mpanao politika, ampahany tao amin’ny foloalindahy, mpandraharaha sy mpanambola ary olon-tsotra natao irakiraka nanomana no nahatanteraka an’iny fa tsy hoe ketrik’andian’olona 10 na 20 mivorivory etsy sy eroa.Ny mpanohitra rehetra dia efa samy nanambara fa tsy hanongam-panjakana, misy kosa ny mangataka nyfialan’ny filoha na ny fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana; ny hita hatreto koa aloha dia mboa mahafehy ny foloalindahy ny fitondram-panjakana, ny vahoaka indray dia tena mbola variana miasa mafy mitady hanin-kohanina isan’andro.Ka iza ary ireo ambara fa mpanongam-panjakana ireo ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT