Edito

Aza mifanadala e !


  • Alarobia 22 Aogositra 2012

Ny alahady hariva teo dia niverimberina ny fanambarana hoe : nanaja ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara ny SADC ary tsy nisy mihitsy ny teritery.

 Omaly indray dia fantatra fa nangataka 71 tapitrisa euro amin’ireo mpiara-miasa aminy i Madagasikara mba hikarakarana ny fifidianana, araka ny nambaran-dRtoa Fatma Samoura, mpandrindra ny asan’ny Firenena Mikambana eto. Efa am-perinasa ihany koa ireo manampahaizana malagasy sy vahiny nalefan’ny Firenena Mikambana momba ny fifidianana. Mialoha izany rehetra izany dia nifanaraka tamin’ny tetiandrom-pifidianana amin’ny 2013 ny CENIT sy ny Firenena Mikambana, ary rehefa nodinihana ny daty dia toa mifanakaiky amin’ilay fe-potoana 11 volana tokony hiomanana, araka ny tolo-kevitr’ireo teknisianin’ny Firenena Mikambana nandalo teto. Ka mba mahalasa fisainana ihany, aiza ho aiza amin’izany moa ny fiandrianam-pirenena ? Sao dia mba hafa ny kabary fa hafa ny tena zava-misy. Na atao mipoapoaka fotsiny ny kabary mba hambaboana ny fon’ny vahoaka, ny amin’ny hoe tena miaro tokoa ny fiandrianam-pirenena ny fitondrana tetezamita, ary tsy mbola nisy fitondrana nahavita ny vitany mihitsy.

Tena tsara ny fiezahana hahavita tena, tokony hialana ny fiankinan-doha, fa ny tsy mety kosa dia ny hampiasana ilay teny hoe "fiandrianam-pirenena" hanaovana propagandy sy fanambarana politika, hampisongadinana ny tena. Zovy no tsy mahalala fa famatsiam-bola avy any ivelany ny 70 isan-jaton’ny tetibola ampiasain’ny fitondrana Malagasy. Kaompania vahiny goavana no mitrandraka harena ankibon’ny tany eto. Izao dia mitady haka toerana tsimoramora eto koa ny Air France ary efa mahalala ny rehetra fa misy firenena vahiny namolavola sy manohana ny filohan’ny tetezamita,dia ny Frantsay. Tsy misy maharatsy ny filazana ny marina, fa rehefa hoe miankin-doha aloha isika, dia miankin-doha izay. Rehefa tsy misy ny vola dia tsy misy ary mila mangataka any ivelany aloha, efaina ny trosa avy eo. Efa hita mibaribary be fa mitsabaka tanteraka amin’ny famahana ny krizy ny sehatra iraisam-pirenena. Ka inona no mbola handrebirebena ny vahoaka fa nanaja ny fiandrianam-pirenena ny SADC ? Aza mba mifanadala r’ingahy ah ! 

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT