Edito

Aza mifanadala


  • Alakamisy 12 Novambra 2015

Dia mbola namoaka indray ny fandaharam-potoana ho amin’ny delestazy eto Antananarivo sy ny faritra manodidina azy ny 13,14 ary 15 novambra ho avy izao ny Jirama

 


. Rehefa natao ny kaonty tsotsotra dia tsy maintsy mifandimby tapaka jiro 5 ora isaky ny roa andro ny faritra rehetra eto Antananarivo. Antony naroso mahatonga ity delestazy amin’ny endriny vaovao ity indray moa ny hoe fikojakojana ny toeram-pamokarana herinaratra ao Andekaleka. Mialoha kelin’izao dia nolazaina fa manambana ho vaky ny fantsona be mitondra rano any amin’ity toerana ity. Raha nipetraka ireo gropy 52 teny Antanandrano dia nambara fa vita hatreo ny delestazy ary mbola hisy ambim-bava mihitsy aza saingy olana teo amin’ny famatsiana solika no nahatapaka ny jiro. Avy eo nilaza ny tale jeneralin’ny Jirama fa hoe nisy andrin-jiro 35 nianjera teto Antananarivo ka izany no nahatapaka ny jiro. Rehefa nohalalinina anefa dia any amin’ny toerana tsy misy andrin-jiro mianjera mihitsy no  misy delestazy matetika. Tsy maintsy ho vita ny fikojakojana any Andekaleka ka avy eo ve raha misy delestazy dia holazaina indray fa noho ny oram-baratra sy ny tselatra dia nisy « disjoncteur » simba indray tatsy sy taroa ka izay no mahatonga ny delestazy. Aza mba mifanadala kosa e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT