Edito

Aza mifanadala


  • Alakamisy 05 Novambra 2015

Fanina tanteraka ny olon-tsotra ! Ho foana ihany ve sa tsia ny delestazy ? Toa nanamafy indray mantsy ny tale jeneralin’ny Jirama fa mbola misy ny delestazy na dia misy ambim-bava aza ny angovo vokatra hamatsiana an’Antananarivo sy ny manodidina.


 Ny andrin-jiro mianjera sy ny andro ratsy vokatry ny vanim-potoan’ny fahavaratra indray eto no ambara fa mahatonga ny delestazy tsy latsaky ny ora 3 isan’andro amin’ny faritra maro eto Antananarivo. Maina ny andro lazaina fa tsy ampy ny tosiky ny rano, vita ny toeram-pamokarana dia misy olana ny famatsiana solika. Milamina indray ny solika dia ambara fa misy mianjera ny andrin-jiro. Hisy delestazy anie izany mandavan-taona e ! Fa tsy mba misy mihitsy ve izany ny fandraisana fepetra matotra sy ny fandrindran’asa fa miala an’Ankatso dia miditra an’Ambohidempona ? Ny minisitera sy ireo orinasa mety afaka mifanaraka amin’ny Jirama ihany amin’ny fandoavana ny faktiora fany olon-tsotra kosa dia azon’ny don-tandroka avy hatrany ka tsy maintsy manefa ny vidin-jiro sy rano tsy nolaniany akory satria mibontsina ny tarehimarika fa mameno ny banga ny Jirama. Ny halatra madinidinika tsy mamerim-bola rehefa mandoa faktiora amin’izany tsy resahana intsony. Sao dia mba hivadika zavatra hafa ihany ny farany ity resaka ity rehefa tofoka eo ny vahoaka e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT