Edito

Aza mifampihatsaravelatsihy !


  • Alatsinainy 27 Novambra 2017

Samy mahay miresaka sy milaza ho tia tanindrazana na ny mpitondra fanjakana na ireo mijoro ho mpanohitra. Samy milaza azy ho henjana sy mahavita azy avokoa ny rehetra. Tsy misy maharesy lahatra ny vahoaka anefa izy ireo.

Porofo mivaingana amin’izany ny hoe ny mpitondra fanjakana ankehitriny mila manakarama mpanohana manokana. Ny antokon’ireo milaza azy ho mpanohitra tsy dia manana tanjaka firy ka afaka hanaitra ny eo anoloan’ny fitondrana na koa ny mpanohitra ny mba hijoro hisian’ny fifandanjan-kery ara-demokratika. Lojika raha miainga amin’ny tanjaka ara-bolan’ny kandida iray ny antony hahalaniany na tsia. Tsy misy rahateo hatreto ny fitsipi-dalao mazava eo amin’ny fahafaha-mirotsaka ho kandida sy ny vola hampiasaina ka samy manao izay saim-patany ny rehetra. Tsy hisy zava-banona sy tena safidim-bahoaka tena izy eto raha tsy misy ny fitsipi-dalao matotra sy mazava. Inona no antoka hoenti-mandresy lahatra ny vahoaka fa hangarahara ny fifidianana ? Malalaka sy misokatra ho an’ny rehetra ve izy io, ka afaka ny hirotsaka avokoa ny Malagasy te handray andraikitra ? Aleo tsy miresaka demokrasia sy fahalalahana raha toa ka mbola misy ny sivana sy ny fiheverana hoe izahay aloha izao no eto amin’ny fahefana, ka izay tianay ihany io. Tsotra ny an’ny Malagasy : mora ny vary, mihena ny vidin-javatra … Ny ankoatra izay aza tanisaina fa vao mainka maneso sy manompa azy ! Aza mifampihatsaravelatsihy !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT