Edito

Aza mifampihatsaravelatsihy !


  • Talata 06 Jona 2017

Lohahevitra hoenti-manamarika ny faha-57 nahazoantsika fahaleovantena amin’ity taona ity ny hoe “Mamiko ny taniko, ny fisandratany no tanjoko”.


  Fehezanteny tsara rindra sy mampientana ny fo tokoa izany, saingy ny zava-miseho sy hiainana amin’izao fotoana izao dia zary maneso sy mahamenatra ny maheno io teny faneva noraisin’ny mpitondra io. Tsy misy na kely aza porofon’ny fitiavan-tanindrazana asehon’ny fanjakana fa fihatsarambelatsihy no betsaka. Ny zava-dehibe aminy dia ny hiaro ny sezany tsy hiozongozona amin’ny alalan’ny famoretana ny fanehoan-kevitra sy hetsika manaratsy toerana ny fitondrana mandritra ny fetim-pirenena. Ny fetin’ny fahaleovantena tahaka izao no vanim-potoana tokony hisian’ny famintranam-pihavanana saingy mbola lavitry ny kitay ny afo. Ny zava-misy dia ifaninanana ny manao kolikoly sy mangoron-karena ary manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Fiarovana ny mpambotry ny tanindrazana no tena laharam-pahamehana eto  Madagasikara ary vatran’ny fanjakana no manangan’ady sy mandrafy ireo vonon-kijoro hiady amin’ny fampanjakana ny ara-dalàna mba ho mariky ny fitiavan-tanindrazana. Aiza ho aiza amin’izany ilay hoe mamiko ny taniko, ny fisandratany no tanjoko ? Na ny vahoaka aza dia efa tsy hita aminy intsony ny afom-pitiavan-tanindrazana fa donton’ny fitadiavana izay harapaka angamba ! Na ilay manangan-tsaina isaky ny volana jona aza efa adinon’ny maro.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT