Edito

Aza mifamitaka kosa e !


  • Alakamisy 21 Jolay 2016

Tsy filam-baniny na resaka halako bika tsy tiako tarehy fa misy ny zavatra tsy maintsy tenenina rehefa tsy rariny sy tsy mety ho an’ny soa iombonana. Maimaika hampiantrano fivoriana iraisam-pirenena izao fitondrana izao, mitaky fanamboarana fotodrafitrasa goavana izany, rombahana aloha ny tanin’olona.


Rehefa tsy ampy indray ny vola eo am-pelatanana dia mivarotra tanindrazana ho takalon’ny asa fanamboaran-dalana sy fanorenana trano be. Zavatra efa hita fa hiteraka disadiam-piarahamonina ve dia mbola hirosoana ihany ? Etsy an-kilan’izay sahirana ny Malagasy tompon-tanindrazana amin’ny resaka tany kanefa dia ny vahiny no omena vahana hatrany hatrany. Sa izay ve no mody nanaovana ilay fanoratana fandovana tany maimaimpoana mandritra ny herintaona ho fanapena-maso ny Malagasy ? Fa inona intsony moa ny tany hosoratana eo rehefa alain’ny vahiny ambongadiny ilay izy e ? Tena ilaina mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ny avy any ivelany fa tsy midika ho famerenana ny fanjanahana sy ny fanandevozana kosa izany e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT