Izay iray alehany na ny mpanao fanadihadiana na ny mpitandro ny filaminana eto amintsika mihitsy no tsy mahay na misy ny sakana goavana amin’ny fanadihadiana atao ka tsy mivoaka ny marina.
Sa ve tokony hanontaniana ireo Emmo reg sy DST fony fitondrana tetezamita fa tena haingana anie ny nahitan’izy ireo ny mpametraka baomba sy ny famoahana ny anaran’ireo olona nolazaina fa atidoha sy mpanome vola e ! Tsy misy herinandro izany, ankehitriny efa ho iray volana ihany ity no dila fa tsy hita izay tena marina. Manahirana ny toe-draharaha tahaka itony saingy tsy maintsy karohana anefa ny marina ka ho hita eo izay hamoaka voalohany na ny mpitandro ny filaminana na ny mpanao gazety fa dia efa samy mikaroka aloha izao. Andrasan’ny rehetra eto indray izay ho fihetsiky ny fitsarana ihany koa. Tena ho sahy hamotsipotsitra ny zava-misy rehetra mba hivoahan’ny marina tokoa ve ireo mpitsara mpamoaka didy sa hanaraka ny teny midina ? Io tsy misy ialana bala izany e ! Misy teny midina sy vola ampitenenina ka manova ny fotsy ho mainty amin’ny fitsarana eto Madagasikara. Tsy hoe olona tsy nisy natao tany an-tranony tany na efa leon’ny miaina no nanapoaka baomba teny Mahamasina tamin’ny 26 jona 2016, fa olona nampanaovina « mission » mazava ka andrasana ny havoakan’ireo milaza azy fa mpanao enkety prôfesiônely sy tsy azo tenitenenina amin’ny asany ary e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.