Toa tsy misy mangirana mihitsy ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana raha ny fahitan’ny olon-tsotra azy, mitombo isan’andro ny olana, maniry ohatry ny anana ny fitokonana. Tsikaritra fa tena tsy voafehin’izao fitondrana izao intsony ilay izy. Ireo mpandinika ny raharaha politika dia efa mahalala tsara fa tsy dia madio mangatsakatsaka avokoa akory ireo karazana fitakiana sy fitokonana ireo. Efa tsy nandaitra mantsy ny fanoherana mivantana amin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe dia mety nikatsaka hevitra hafa ny tsy mankasitraka izao fitondrana tetezamita izao. Sarotra kokoa mantsy ny mifehy ireo fitakiana etsy sy eroa ireo, noho ilay izy tena misandrahaka be amin’ny sehatra maro, ka vahaolana samihafa no tsy maintsy aroso, na dia toa mitovitovy ihany aza ny fitakiana. Raha teny an-dalambe mantsy dia vitan’ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny fisamborana ny raharaha fa ankehitriny kosa dia sarotra ny hanao izany fa ny atidoha no tsy maintsy ampiasaina. Ny olana ho an’ny FAT anefa dia tsy afaka ny hisaina sy hanatanteraka zavatra maro be miaraka ao anatin’ny fotoana iray izy.
Tsy ho vita ny hoe sady hanomana fifidianana, no hanao propagandy, no hifampidinika amin’ny mpanao politika, no sady mbola hamaha izao fitakiana fisondrotan-karama isan-tsokajiny izao, no mbola hampiditra vary sy menaka amin’ny vidiny mora eny an-tsena, no mbola hanenjika ny mpangalatra sy mpamaky trano ary jiolahy mpisakana fiara mirongo fitaovam-piadiana. Eraky ny tanan-dehibe amin’io efa nanambarana tamin’ny fomba ofisialy fa hanamboarana kianja manara-penitra, hopitaly, lalana, fonja ... Ny sazin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izany tsy loza mitatao intsony fa efa loza mihatra. Hita mibaribary izao fa sempotra ny FAT, tsy mety tafavoaka ny baolina. Tsy ady sahala intsony no misy fa efa mizotra tsimoramora any amin’ny faharesena mihitsy. Tsara ny fananana finoana sy fikirizana, ary hentitra ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina raha nilaza fa roso ny dia ka tsa mipody intsony.
Hita ho lasa aloha ihany anefa izany fanambarana izany satria mbola tena sarotra ny lalana, ary mbola ho maro ny tampoka tsy maha rangahy mety hosedrain’ny FAT. Tsy mbola vita ny lalao ary hita ho mihetsiketsika fatratra ireo mpifanandrina amin’ny FAT izay misy tena efa ampy traikefa amin’ny baolina ambony latabatra, ary tsy hanaiky lembenana mihitsy. Araka ny ritsoka re aza dia efa tafiditra any an-kianjan’ny FAT ny sasany amin’izy ireo ka handrodana ny ekipa avy ao anatiny. Raha ny fahitan’ny maro azy dia diso natoky tena be loatra i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, ka nisioka mialoha ny fotoana, mbola tena ao anatin’ny ala mikitroka anefa isika, ary tsy fantatra mihitsy ny mbola hitranga mandra-pahita ny mazava.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.