Edito

Aza manonofy


  • Alarobia 18 Aprily 2012

Tsy nisy ny fahagagana fa dia mbola teratany Amerikanina ihany, dia i Jim Yong Kim no voatendry ho filoha mpitantana ny Banky Iraisam-pirenena. Ny alatsinainy lasa teo moa no nanendrena azy tamin’io toerana io.

 Dia tsy nahita rirany mihitsy izany ireo firenen-kafa, indrindra moa fa ireo firenena manomboka misongadina sy mandrsoo nieritreritra fa hahazo ny toeran’ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena. Tahaka ny efa fomba ifanarahana, na dia tsy voasoratra mazava an-taratasy, tahaka ny fifanarahana iraisam-pirenena rehetra aza fa ny Amerikanina, izay firenena matanjaka indrindra maneran-tany aloha, hatramin’izao no mahazo io toerana anisan’ny goavana indrindra io. Ho an’ny Firenena Mikambana koa, ohatra, dia olona ankoatra ny Eoropeanina sy Amerikanina hatrany no voatendry ho Sekretera jeneraly. Izay ilay karazana fifanarahana sy fifandaminana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, dia arahana ilay izy ary tsy miova izany mihitsy.

Ny tiana hahatongavana amin’izany dia ny hoe : manana ny lanjany amin’ny fifandraisana manerana izao tontolo izao ny fifanarahana iraisam-pirenena, na ofisialy io na tsia. Resabe mialoha ny fanendrena ity filohan’ny Banky Iraisam-pirenena vaovao ity, tahaka ny hoe aiza ve dia ho giazan’ny Amerikanina foana io toerana io, sy ny hoe tsy aleo ve mba olona avy any amina firenena matanjaka hafa, tahaka an’i Chine na Brezila na Inde no apetraka eo. Efa nandeha mihitsy ny propagandy sy fandresen-dahatra, kanefa dia i Kotozafy ihany no Leksisy e ! Ny tiana hambara manaraka ihany koa dia ny hoe : mbola henjana i Etazonia ary tsy azo hamaivanina mihitsy ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Ho antsika manokana eto Madagasikara dia tsikaritra tato anatin’izay telo taona izay fa nirona betsaka tany amin’ny Frantsay ny mpitondra tetezamita ary tena nisy mihitsy aza ny manampahefana sasany nanao vavabe nanakiana ny politikan’ny Amerikanina izay tsy manaiky ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina, ary manizingizina fa fanonganam-panjakana no nisy teto. Niezaka ny nanao lalana ambanin’ny tany ny Frantsay handresy lahatra ny Banky Iraisam-pirenena mba hamerina amin’izay ny famatsiam-bolany miasa eto Madagasikara. Tonga avy hatrany anefa ny valin-kafatra avy amin’ny Amerikanina fa tsy manaiky an’izay ry zareo ary hanao izay rehetra azo atao hanakanana ny hamerenan’ny Banky Iraisam-iprenena ny famatsiam-bolany eto. Tsy volan’adala izy io ka homena mpanongam-panjakana sy mpitondra tsy manaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona. Teratany Amerikanina ity voatendry hitantana ny Banky Iraisam-pirenena, dia efa mazava izany ny resaka fa mbola nofinofy ho an’ny tetezamitan-dRajoelina izany hahazo famatsiam-bola izany. Araka ny fomba fiasa hatramin’izay ihany koa dia ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena no fanalahidin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, ka rehefa manaiky izy ireo, dia tonga ho azy ny an’ny fikambanana iraisam-pirerena sy ny firenena hafa, rehefa mandà kosa ry zareo dia ... aza manonofy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT