Tsy midika velively hoe hivoaka avy hatrany ny vola vantany vao voasonia ny fifanarahana eo amin’ny CENIT sy ireo mpiara-miasa avy any ivelany nanome toky fa hanohana ny fanatanterahana ny fifidianana.
Ny alatsinainy 19 novambra ho avy izao moa no hosoniavina eny Andraharo io fifanarahana famatsiam-bola io. Misy dikany goavana ny tenin’ny masoivohon’i Alzeria ny alakamisy lasa teo, nanao hoe fampiharana ny fihavanana, ny fifampiresahana sy ny fahitana marimaritra iraisana no hahafahana miroso amin’ny fifidianana eken’ny rehetra, demokratika ary ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena. Miendrika fampatsiahivana sy fampitandremana ireo rehetra mikasa ny hanao amboletra ka maika hanao fifidianana izany. Tsy ny daty no zava-dehibe fa ny mety haterak’ilay fifidianana, ka na tomombana 100% aza ny ara-teknika dia tsy maintsy jerena ny fitoniana ara-politika. Efa mifanaraka tsara ve ny mpanao politika, sao dia mbola misy ankolafy mifanandrina sy mifanasa vangy any ho any ? Moa ve efa manaiky tanteraka ny fampiharana manontolo ilay tondrozotra ny rehetra sa tsaingotsaingohana isaky ny andininy ihany ilay izy ? Marina fa ny vahoaka no masi-mandidy saingy ny mpanao politika no mitondra ny firenena, ka tsy maintsy mila milamina aloha izy ireo fa tsy hisy firenena handroso eto raha mbola misavoritaka io tontolo iray io.
Amin’izao toerana misy an’i Madagasikara izao koa, dia tsy manan-tsafidy fa tsy maintsy mila ny famatsiam-bola avy any ivelany aloha, izay mpitondra ho avy eo, ny avy any ivelany anefa tsy hanome vola raha tsy tanteraka izay nifanarahana, dia tsy inona izany fa ny fampiharana manontolo ny tondrozotra sy ny fanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara, demokratika ary eken’ny rehetra. Tsinjo ihany mantsy ny eritreritry ny sasany hanilika an-dRakoto na Rabe. Mety ho vitany izany saingy tsy tokony ho hadinony fa fanilihana mira fikatsoan’ny famatsiam-bola sy tsy faneken’ny sehatra iraisam-pirenena izay fifidianana hatao eo, sy izay filoha mety ho lany avy amin’izany fifidianana izany. Mampiahiahy ihany ny tenin’ny filohan’ny tetezamita nanao hoe tsy tokony hifantoka amin’ny famahana ny olan’ny olona iray ny resaka, izay azo adika fa tsy vonona hanaiky ny fodian’i Marc Ravalomanana eto mihitsy izy.
Efa mibaribary anefa fa tsy afaka miala amin’io ny fitondrana tetezamita, satria nanao sonia ny tondrozotra izay milaza ao amin’ny andininy faha-20 fa afaka miverina an-kalalahana eto Madagasikara ireo sesitany politika ka anisan’izany ny filoha teo aloha. Ny ankolafy Ravalomanana dia efa niteny hoe ampiharo ilay andininy faha-45 raha izay no maha metimety anareo fa vonona izahay ! Ka inona indray moa izany no mbola andrasana e ? Sa tena ny fahatahorana an-dRavalomanana mihitsy no antony tsy hamelana azy ho tonga eto, sa koa matahotra fanonganam-panjakana ny sasany, na miahiahy fa mety hisy diabe tampoka avy eny amin’ny Magro mankeny Ambohitsorohitra raha tafaverina eto Ramose ? Fa na ahoana na ahoana aloha dia hikatso ity raharaha ity raha mbola manao be marenina sy mody fanina tahaka izao Rajoelina sy ny ekipany. Aza manilika raha te hiroso amin’ny fifidianana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.