Sesilany ny fanadiovan-tena eo amin’ny mpanao politika hoenti-manoso-potaka ny hafa hahafahana manadio tena.
Aiza ve ka ireo mpamadika tolom-bahoaka sokajiana ho tsy mena-mivadika ohatran’ny tanalahy indray ankehitriny no avo vava manasokajy ireo mitazanona ny velirano nifanaovana tamin’ny vahoaka teny an-kianja ho mpamadika. Sanatriavin’ny vava toa olona tsy tompon’ny tenany intsony, saingy io angamba no tonga amin’ilay fitenanana hoe ny alika jamban’ny taona fa ny mpanao politika jamban’ny seza. Dia tena manova zavatra marina tokoa ny seza sy fahefana, ary manaraka am-bokony hatrany ireo ambara fa tsy manana hazon-damosina hoentin’ny lehiben’antoko amin’ny sangany. Ny olona tsy nitatatra sy tsy nively vy, saingy mirehareha fatratra amin’ny maha lehiben’antoko azy no mandidy sy manapaka ho an’ireo heverina ho manana hazon-damosina kinanjo, indrisy fa lasan-ko vavany toa haron-tabebaka fotsiny fotsiny tamin’ny vava be sy fampanantenana teny an-kianja. Asa lahy raha mba hohenjehin’ny heritreritra ihany atsy ho atsy ary ho hita eo ny fahasahiana hiseho vahoaka. Ny zavatra hita dia nisitri-belona sy toa mahana tanteraka eo anatrehan’ny famadihana an-kitsirano ny mpitolona nanantena fa mba olona azo itokisana sy ianteherana ireto nitarika ny tena ho amin’ny fanovana. Mety hitoraka voninkazo sy handrisika ireo milaza fa hidina an-dalambe hanohitra ny tolom-bahoaka aza. Dia tena maina sahady tokoa angamba ny ravina nihinana ary efa nihinana ny voa manadino, ka minia tsy mahatsiaro e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.