Raikitra ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.
Tsy misy sangisangy sy vazivazy fa tena ady mafy io ho an’ny kandida roa tonta. Samy manana ny hambarany sy ny fomba handresen-dahatra ny vahoaka. Hahafaha-mitsara ny tsirairay sahady anefa izay mitana ny teny nomeny nanomboka tamin’ny fihodinana voalohany. Iza no manomboka mivadi-dela sy efa nangala-tahaka ? Tsikaritra ho nizakan’ny kandida iray kiana mantsy ny karazana fampanofinofisana ny Malagasy amin’ny zavatra mety tsy hahafahan’ny besinimaro misitraka akory, ka toa niova hevitra nangala-tahaka ny kandida iray toy ilay resaka fampitaovana ny mpianatra. Tsy tena ny zaza Malagasy rehetra, toy ilay tamin’ny fitondrana Ravalomanana anefa no nisitraka ireny fa novakiana fotsiny, araka ny tenin’ny tanora hoe: mba hoentina maka ny fon’ny rehetra fotsiny ary ny sary no tena nampitenenina fa tonga dia miasa hono e ! Fa taiza ireny no tsy natao hatramin’izay tsy naha teo amin’ny fahefana izay fa ny firenena Malagasy aza natao tsidi-pahitra ? Ho hita eo raha mbola hiverina ireo efa novoizina tany aloha na hitady fomba hafa sy zavatra hampanantenaina hafa mihitsy, izay midika tsy fahamatorana sy famoromporonana fotsiny mba hakana ny fon’ny maro an’isa. Adidy hatrany ny manokatra ny mason’ny mpiray tanindrazana, hanaitra azy mba tsy ho sodokan’ny fampanofinofisana sy ny fampanantenana poak’aty. Misintona ny sain’ny maro hiverina amin’ny tantara, ka hanao fijery tsy mitanila hoe: iza no nanasoa kokoa ny firenena Malagasy na mety samy nanana ny fahadisoany aza ireo mpifaninana roa tonta ireo ? Ny raharaha 2009 no tena manamarika ireo kandida roa ireo, ka anjaran’ny tsirairay no mampitaha ny fari-piainany talohan’io sy taoriana rehefa naongana ny fanjakana voafidim-bahoaka ka nahazo tonga teo amin’ny toerany ny mpandrombaka fahefana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.