Nandray sy nijery ary nandinika ilay sori-dalana natao rangopohy tamin’ny 9 martsa 2011 ny Sadc saingy kosa tsy nanambara velively fa mety iny ary tanterahana avy hatrany ny fampiharana azy.
Misy ihany mantsy ny fahadisoan-kevitra amin’ity resaka ity nanomboka ny sabotsy teo, indrindra fa ny avy amin’ireo mpomba ny FAT. Hisy ny fihaonana ahitana ny ankolafy politika rehetra any Gaborone Botswana ato ho ato ary azo antoka fa mbola hisy ny adihevitra sy fifandresen-dahatra, araka ny voalazan’ny andininy faha-12 sy faha-13 ao amin’ilay fehin-kevitra navoakan’ny Sadc farany teo. Iantsoana ny rehetra izy io mba tena hampivelatra ny antsoina hoe fiaraha-mitantana sy fiarahana mikaroka vahaolana. Tsotra ny zavatra azo tsoahina amin’izany : tsy mbola tanteraka aloha hatramin’izao ilay tetezamita eken’ny rehetra sy iaraha-mitantana na dia efa maro ihany aza ny fihetsiketsehana nataon’ny FAT sy ireo mpanara-dia ary mitovitovy hevitra aminy, nananganana ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary nanovana ny mpikambana tao amin’ny governemanta.
Ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika ity raharaha ity dia karazan’ny miverina zero mihitsy ny zava-drehetra satria mbola hiady hevitra indray ny ankolafy politika isan-karazany. Tsy sonia izany sisa no atao any Gaborone fa tena mbola fivoriana goavana. Mivandravandra fa tsy mbola mivaha ny krizy ary tsy nahavaha ny olana i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Efa fiaikena fa tsy nahavita azy ny nihazakazahan’ny FAT nihaona tamin’ireo filoham-pirenena vitsivitsy tao amin’ny Sadc mialoha ilay fivoriana tsy ara-potoana. Niaiky ny FAT fa tsy nahavita azy, ary niaiky fa ilaina ny fanelanelanan’ny Sadc sy ny fihaonana amin’ireo ankolafy politika hafa. Azo adika ho tsy vita araka ny nieritreretana azy ihany koa ny hetsika fandresen-dahatra nataon’i Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Camille Vital tany Afrika.
Mbola fifampiresahana sy fifandresen-dahatra hafa indray mantsy ity hitranga ato ho ato ity. Azo porofoina amin’izao tranga izao ihany koa fa nisy vokany ny hetsika isan-karazany sy ny tolona nataon’ny Ankolafy 3 izay manizingizina hatramin’ny farany fa tsy maintsy misy ny fifanatrehana eo amin’ny milaza azy ho mpitondra fanjakana ao anatin’izao tetezamita izao sy ireo vondrona politika tsy mitovy hevitra aminy ary izay ihany no lalan-tokana hivoahana amin’ny krizy. Tsy nahatafita baolina i Andry Rajoelina ary miezaka mafy ny manodinkodina ny sain’ny olona tamin’ny alalan’ilay resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy hariva teo. Raha ny marina dia tsy nanaiky ny sori-dalana izany ny Sadc fa mampirisika ny hisian’ny fihaonana eo amin’ny samy Malagasy eo ambany fiahian’ny sehatra iraisam-pirenena mba hikarohana ny vahaolana tena izy, mety sady mahomby hialana amin’ny krizy. Tsy nisy velively iny fanambarana nataon’ny Sadc iny raha toa ka nety ny sori-dalana narafitry ny Dr Simao fa tonga dia toromarika amin’ny fampiharana no nivoaka ary fanazavana ny fepetra horaisina amin’ireo mitsivalana amin’izany. Aza mampiesona e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.