Edito

Aza maimaika e !


  • Zoma 27 Mey 2016

Ireo mpifaninana mivantana amin’ny filoham-pirenena amin’ny 2018 dia efa nanambara fa tsy mahita tombontsoa amin’ny fanonganam-panjakana fa aleon’izy ireo miandry am-pitoniana ny fifidianana ara-dalàna toy izay handoto tanàna taona 2 latsaka kely alohan’izany.


 Atoa Hery Rajaonarimampianina izay lasa namonjy ny andefimandriny  any Frantsa indray izao rehefa avy nivory tany Istanbul dia tafapetraka amin’ny toeran-tsarotra ihany ankehitriny satria eo antsasaky ny  fotoam-piasana izy tsy mbola mahita mangirana amin’ny mpamatsy vola ihany. Ny mpamatsy vola iraisam-pirenena izay matetika tsy mamoaka vola fanampiana intsony rehefa akaikin’ny taona hanatanterahana ny fifidianana. Izao mipoitra ny karazana raharaha mafana isan-karazany, mampatsiahy ny fitondrana tetezamita noho ny fisavana tranon’olona, ny fisiana sakan-dalana vato sy kodiarana mirehitra. Fitokonana, fitakiana, fimenomenomana etsy sy eroa, tazana amin’ny endrika hita eny an-dalambe eny fa sahirana sy miady saina ny ankamaroan’ny Malagasy. Vao miha mampangotraka ny raharaha ny fisiana vahiny mahazo tany etsy sy eroa, hany ka lasa mahatsiaro tena voailikilika mihitsy ny Malagasy. Ho sahirana hamono afo atsy ho atsy ny fitondram-panjakana raha tsy mbola tonga saina ka manova fomba famindra sy mihaino ny tena feom-bahoaka ary mandroso vahaolana haingana. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia mila mandinika ny rehetra fa tsy maimaika fotsiny eo. Tsy ny fifidianana no mamaha olana fa ny olombelona ihany. Rehefa mahay mifanaraka dia hita ny vahaolana fa raha samy miseho milay dia hikorontan-dava eto e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT