Edito

Aza maika ny manatsatso


  • Talata 24 Jolay 2012

Maro ny fanehoan-kevitra manoloana ilay fihaonan’ny roa tonta any Seychelles.

 Misy ny milaza fa zava-dehibe io satria izay vao horesahana mazava sy mahitsy ny antony nisian’ireny tranga tamin’ny 2009 ireny. Fa ao kosa ireo manatsatso fa tsy misy azo antenaina amin’ny fihaonan-dRavalomanana sy Rajoelina, fandanian’andro fotsiny izany. Eto no asiana resaka kely, satria tsy maintsy misy foana moa ny mpanatsatso sy mpanisy sira e ! Tahaka ny hoe tsy maintsy misy mpila ranondranony sy mpisolelaka. Ekena fa efa maro izay fihaonana natao izay, saingy tsy mety mivaha ny krizy, hany ka leom-boanana ny olona ka tsy tia zava-boribory intsony. Ny tsy tokony hohadinoina anefa, na sanatria odian-tsy hita dia tsy tena mbola nifanatri-tava mivantana sy niresaka naharitra Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana, fihaonan’ny ankolafy 4 no nisy hatramin’izay ka noho izany dia niaraka tamin’izy ireo tao anaty trano fivoriana ihany koa ny filoha Ratsiraka sy Zafy.

Taorian’izay dia fihaonan’ireo vondrona politika indray no nalaza dia iny nosoniavina iny ny tondrozotra. Tsy nahavaha ny olana koa anefa ny fanasoniavan’ireo vondrona politika 10 ny tondrozotra tamin’ny 17 septambra 2011. Ka inona moa izany no maharatsy ny fihaonan’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ? Raha misy mpivady misaraka noho ny ady na tsy fitovian-kevitra ve, dia ny fianakaviany no hiresaka dia tonga dia hilamina ny raharaha ? Na firy na firy dinika efa natao, dia tsy maintsy mifanatri-tava sy miresaka mivantana ireo izay tena fototra niavian’ny olana, raha tena tiana ho hita marina ny vahaolana.

Efa hatramin’ny 2009 no fantatra fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hihaona ihany i Dada sy i Zandry Kely, izay vao azo antenaina hivaha ny krizy. Ny tombontsoa ambonin’ny firenena no banjinina koa tahaka ny tsy mety ihany ilay serasera aparitaka etsy sy eroa, fa hoe tsy misy azo antenaina amin’io dinika any Seychelles io. Tsy aleo ve aloha hikatro-doha ao ry zareo, dia ho hita eo izay vokany. Efa samy nahazo lesona tamin’ny tsy nety nataony i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, samy efa olon-dehibe ampy taona, sady raim-pianakaviana izy ireo, ary samy mahalala tsara izany fitantanana firenena izany. Ka inoana fa ho matotra sy hendry ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo tsirairay avy. Ilaina ny fanakianana fa tsy tokony hanimban-javatra kosa e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT