Edito

Aza maika !


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Fety be teny Iavoloha ny alatsinainy hariva teo, taorian’ny nitsanganan’ilay governemantan’ny firaisam-pirenena tsy misy mpanohitra.

 Araka ny tsiliantsofina dia mbola nanohy ny lanonana tany an-tranony sy tany amin’ny toeran-kafa mihitsy ireo minisitra sasany. Samy resy lahatra mantsy izy ireo fa efa azo ny fankatoavana iraisam-pirenena ary ho avy amin’izay ny fanampiana ara-bola avy any ivelany. Raha ny fahitana ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny teny Iavoloha tokoa aloha dia toa marina izany. Rehefa mihaino sy mandinika tsara ny kabarin’Atoa Mokgheti Monaisa, masoivohon’i Afrika Atsimo no sady solontenan’ny SADC eto amintsika anefa dia hita ihany fa mbola mitaky zavatra amin’ny fitondrana tetezamita sy ny mpanao politika ny sehatra iraisam-pirenena mialoha ny hanampiany mivantana an’i Madagasikara.

Ary na dia efa niainga araka ny nambaran’ny filohan’ny FAT aza ny lamasinina dia mbola miretareta ihany fa tsy mandeha mafy araka ny nampanantenaina tamin’ny 2009. Tsy ampy ny solika ary tsy fantatra mazava ny hiafarany. Misy lanjany politika tsy azo hodian-tsy hita ny tsy nidiran’ny mpanohitra tao anatin’ny governemanta, ary raha nisy aza ireo olon’ny ankolafy Zafy sy Ravalomanana nanaiky ny fanendrena azy, noho ny antony tsy fantatra dia tsy mbola hamaha ny krizy. Tsy tokony hohadinoina fa olon’ny ankolafy Ravalomanana sy ny TIM nisintaka enina be izao no niditra tao anatin’ny governemanta Vital tamin’ny martsa 2009, saingy nikatso ihany ny raharaha. Ary izy enina mirahalahy ireo aza dia tena mpitari-tolona teny amin’ny Magro mihitsy, miampy izay dia efa natao ho filohan’ny Kongresy Atoa Raharinaivo saingy tsy nety tafavoaka ihany ny baolina ary tsy nivaha ny krizy, satria tsy nanaiky an’io ny filoha teo aloha Ravalomanana ary nilaza fa tsy nahazo tso-drano taminy fa nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana ireny olona niditra tanaty rafitra ireny.

Tsy ilay miditra na mivoaka no tena zava-dehibe fa ny nifaneken’ny rehetra ! Tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso aloha, fa raha ny fandinihana azy dia tsy hiditra anatin’io governemanta sampona io mihitsy ny olon’ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert tena mankato ny mpitarika azy ireo, raha tsy misy indray ny fifampidinihana vaovao hampisindana ny ahiahy rehetra naterak’io fomba fisafidianana minisitra hafahafa io. Mbola fotoan’ny fifampiresahana izao ary tsy tokony handà izany ingahy Rajoelina sy Beriziky, satria ho raharaha ihany no hitranga eto raha sanatria mikiribiby hanohy ny lalany samirery izy ireo. Azo antoka fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana indray ny mpanohitra ary tsy hanaiky ny voka-pifidianana ka dia izay no vita. Tsy hisy fanampiana azo avy any ivelany amin’izany savorovoro izany, ary dia hiakatra izay tsy izy ny vidim-piainana, hitombo ny very asa. Aza maika ny hifety aloha fa tsy mbola mivaha ny krizy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT