Edito

Aza lotoina amin’ny politika !


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Hita taratra kely ihany ny fampidirana loko politika amin’ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara mandray anjara sy mahomby amin’ny fiatrehana ny CAN 2019.

 

 

Nisy ezaka nifampitohy ny fahombiazan'ny Barean’i Madagasikara, ka aoka tsy hasiana hoe: izahay na tamin’ny andro nitondranay no nahatonga an'ireo teo amin'ny CAN, hoy ny olona. Tsy ny mpitondra ankehitriny ihany fa efa nanampy azy ireo ny ankamaroan'ny mpandraharaha Malagasy raha tsy hitanisa afa tsy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, Itompokolahy Harijaona Randriarimalala, Mbola Rajaonah, ny filohan’ny Alefa Barea Lova Ramisamanana … Tsy mba nanao “Tam-Tam” be ireny. Tsy ny resa-bola ihany koa no tena zava-dehibe sy hifaninanana na hireharehana fa ny fiombonam-po sy ny fitondrana ny anjara biriky amin’ny fanohanana mety hiseho amin’ny endrika samihafa. Raha resa-bola mantsy no hireharehana, dia mazava ho azy fa voailika ny 90% amin’ny Malagasy izay faly sy mientana amin’ny ekipam-pirenentsika. Ekipam-pirenena io fa tsy ekipana mpitondra fanjakana na ekipa na antoko politika, fa rehefa mba manao dia atao am-pitiavana tsy hitadiavana voninahitra na doka politika. Mendrika sy mila tohizana ny fanohanana, ary ny hirariana dia ho toy ny afo-mololo fotsiny, ka sanatria ho lefy aorian’ny CAN, fa tena hanovozana lesona sy ampiharina amina lafin-javatra maro. Mampiombona ny Malagasy manontolo ny Barea, ka tokony hosorohina tsy hampidirana resa-politika mampisara-bazana satria mitondra ny lokon’ny firenena ny Barea. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT