Edito

Aza diso hevitra e !


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2016

Tsy liana amin’ny fitakiana politika eto amin’ny firenena intsony ny vahoaka raha jerena amin’ny zava-nisy teny Analakely ny zoma sy sabotsy lasa teo.

Olona liam-baovao ny ankamaroan’ny tonga teny na dia nisy aza ireo vitsivitsy nitondra sorabaventy sy nivorivory namaly ny antson’ny Antso ho Fanavotam-Pirenena. Diso hevitra anefa ny mpitondra raha mihevitra fa mbola fankasitrahana azy no antony tsy mahataitra ny olona ka tsy hijoroany hanampy ireo mpanao politika hanohitra sy hanongana izao fitondrana izao. Tokony handini-tena ihany koa ny mpanohitra amin’ny antony tsy hamalian’ny vahoaka ny antsony na dia natao drindrangilo tany anaty haino aman-jery aza ny fitarihana olona hidina an-dalambe fa tsy sarontsaronana amin’ny hoe noho ny sakana nataon’ny mpitandro ny filaminana no anton’ny tsy fahombiazana. Fotoana tokony hahatongavan’ny mpanohitra sy ny toherina saina izao fa leo ny vahoaka saingy mbola mangina. Diso hevitra ny fanjakana raha mihevitra fa ny fampiasana ny tafika no hevitra tsara indrindra hiarovana ny fahefana. Tsaratsara kokoa raha mibaboka amin’ny Malagasy raha mbola mahatsapa tena ho mpitondra mba tsy ho diso hevitra lava izao !

                                                                                                       Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT